Fifidianana no hibahan-toerana eo amin’ny tontolo politika sy ny fainam-pirenena ankapobeny amin’izao taona 2023 izao; eny, na any amin’ny faramparan’ny taona aza izany. Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana tanteraka izao. Hanao ahoana?
Laingalainga, toa mila ho raiki-tampisaka amin’ny mpanao politika sasany ny fanahiana sy fahatahorana krizy politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Sanatria, misy ny maniry ny hisian’izany mba hanaporofoana fa marina izay lazainy. Ao aza ny minia manao izay hampisy izany hahatanteraka ny kajikajy sy paipaika politikany. Soa ihany, hatramin’izao aloha: tsy tonga amin’izany; eny, na misy aza ny mahita sy mivoy mafy fa efa ao anatin’ny krizy politika izao, na tsy iandrasana korontana vao hifampidinika amin’ ny fitakian’ny mpanohitra ny amin’ny tokony hanaovana fikaonandoham-pirenena mialoha ny fifidianana.
Ilaina ny fahamarinan-toerana politika
Ny korontana politika no hanaovana fikaonandoham-pirenena sa ny fanaovana fikaonandoham-pirenena no hanakorontana ny tontolo politika amin’ny fanavaozana lalàna, fanovan-drafitra, fanoloana olona… Tsy mety ifankahazoana ny resaka ny amin’izany , ka mila filaminana sy fitoniana tsy iadiana an-toerana. Politika io. Arakaraka fifandanjan-kery sy izay kendrena aminy.
Mbola mitoetra ve izany raha ny maro anisa eo anivon’ny fitondrana, ohatra, no tsy mitovy fijery be ihany? Toy izay nitranga tamin’ny fikasan’ny sasany eny anivon’ny Antenimierampirenena hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Nandamoka na ninia nampanginina tamin’ny fotoana farany ny raharaha. Efa nisy ny ratsy fijery ny mety ho tohiny sy farany? Na ny mpanao politika io, na ny vahoaka. Ilaina ny fahamarinan-toerana politika.
Mila marin-toerana koa ny sosialim-bahoaka
Mety tsy hampisy fahamarinan-toerana politika na mora mampianjera amin’ny korontana politika koa ny sosialim-bahoaka. Voalohany sy lehibe amin’izany, ohatra, ny fandriampahalemana ahazoana miatrika ny fiainana andavanandro: fahazoana antoka ny fitsarana fa anisan’ny manakorontana amin’izao, ohatra, ny ady tany. Miara-dalana amin’izay hisian’ny filaminana izay koa ny fifehezana ny vidim-piainana, tsy mitsaha-miakatra tato ho ato. Hanao ahoana amin’izao maitsoahitra izao, ohatra? Mety hisy fiantraikany amin’ny fantanterahana fifidianana ny raharaha, na eo aza izay heverina ho fahamarinan-toerana politika.
R. Nd.