Noleran’ny tovolahy iray antsy avy ao ivohony ny zandary nandrindra fifamoivoizana, omaly. Voadidy teo amin’ny tanany ny zandary iray hafa, nanavotra ity namany ity. Maty noho ny ratra nahazo azy nandritra ny fisamborana ilay mpidoroka.
Solo, izay no anarana fiantsoan’ny mpiray tanàna azy. Tovolahy sady mpidoroka no mampihorohoro ny mponina. Mitondra antsy sy manenjika ireo namany, mpilalao karatra izy rehefa mamon-drongony. Izay rahateo ny fihetsiny, omaly, tao Tsiatosika, anatin’ny kaominina ambanivohitra Tsarahafatra, faritra Vatovavy. Tamin’ ny 10 ora maraina, avy nilalao karatra tamin’ny namany izy, hitan’ny fokonolona nifoka zava-mahadomelina. Avy eo, noentanentanin’ny rongony, nokasainy holerana ny antsy ireo namany. Rehefa niala maina, tsy nahovoka tamin’ny namany, nikisaka moramora, ka nofirain’ity lehilahy ity antsy tao amin’ny lamosiny ny zandary am-perinasa iray nijoro teo amin’ny fanakanan-dalana mihazo an’i Tsiatosika. Tampoka, tsy afaka niaro tena ilay zandary, naratra mafy vokatr’izany.
Niezaka nanavotra
Raha vao nahita ny zava-nitranga ny zandary iray teny an-toerana, niezaka nanavotra sy niaro ny namany izay naratra mafy. Nisintona ny antsy teny amin’ny tanan’io lehilahy io ity farany. Kinanjo, voafira teo amin’ny tanany havanana indray. Taorian’ny fandratrana ny zandary, roa samy hafa dia nirifatra nandositra ny lehilahy nahavanon-doza.
Nentin’ireo mpiara-miasa aminy nihazo ny hopitaly Ste Anne avy hatrany ilay zandary naratra. Naiditra efitrano fandidiana ilay zandary voa tao amin’ny lamosina. Tontosa omaly ihany ny fandidiana, tsy misy atahorana ny ainy, araka ny nambaran’ny mpitsabo.
Voatifitra ny feny
Nahare ny zava-nitranga, nidina ifotony nijery sy hisambotra ilay nanao ny fandratrana ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Vatovavy. Mbola namaly sy nihantsy ny mpitandro filaminana ilay tovolahy. Nalamina sy nentanina mba hametraka ny antsy teny aminy izy. Tsy nety nalamina, ka nikasa handositra.
Tsy maintsy nanao fampitandremana ny zandary. Rehefa nikiry biby nanohitra sy nandositra dia notifirin’ny zandary teo amin’ny tongony izy. Noho ny fahaverezan-drà, nentina nihazo ny hopitaly. Kinanjo, tsy tana ny ainy. Natolotra teo anivon’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakany. Ny havany sy ny mpiray tanàna aminy dia samy nanamafy fa mahery setra i Solo. Mpamerin-keloka sy tsy voafehy rehefa mamon’ny zava-mahadomelina.
Tsiferana Randriatiana