Ho fanomanana ny fandraisantsika anjara amin’ny fifaninanana « Cosafa U20- 2023 », hisy ny fifaninanana rezionaly U19 ho an’ireo faritra 22. Izany dia atao hitiliana ireo Barea kely sy mba hamerenana indray ny amboaram-paritra eto Madagasikara.
Ho fiatrehan’i Madagasikara ny «Cosafa 2023», ho an’ny sokajy zandriny U20, hisy ny fifaninanana amboaram-paritra, ho an’ny U19. Ny lalao rehetra dia natao hifantenana izay handrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika io fifaninanana io. Tsy izany ihany nefa, fa eo koa ny famerenana indray ny fifanintsanana rezionaly eto Madagasikara.
Handray anjara amin’ity amboaram-paritra ity ireo faritra 22. Hozaraina amin’ny kianja miisa valo izy ireo. Hanomboka ny 6 – 8 janoary 2023 izao ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ka izay voalohany isam-bondrona no hiakatra amin’ny dingana manaraka. Ny dingana faharoa, izay hatao ny 25 febroary hatramin’ny 5 marsa, ka ireo ekipa 8 tafakatra dia hozaraina anaty vondrona roa, ka izay voalohany isan-tsokajy no hanao ny dingana famaranana. Hatreto, tsy mbola fantatra ny toerana sy fotoana hanatontosana ny famaranana.
Tsiahivina fa, noho ny fanamboarana ny kianja Rabemananjara dia hiova ao amin’ny kianjan’i Port – Berger ireo ekipan’i Boeny sy Sofia ary Melaky no hilalao. Noho ny olana misy amin’ny ekipan’i Melaky dia hahemotra ny 13 sy ny 14 ary 15 janoary ny lalaom-bondron’izy ireo.
Ankoatra izay, miisa 16 ny mpanazatra hitily ireo zandrikely handrafitra ny Barea, isan’izany ny mpanazatra Amada Aboudou na i Maitre Dama sy i Amed Abdou, ary Randriambololona Patrick na i Maitre Tipé.
Fitia (Mpianatra asa)
Ireo fizaram-bondrona
Vondrona «A» – Kianja Antalaha
Sava , Diana
Vondrona « B » – Kianja Port –Berger
Boeny, Sofia, Melaky
Vondrona « C » – Kianja Tsiroanomandidy
Bongolava, Itasy, Betsiboka
Vondrona “D” – Kianja Toamasina
Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro
Vondrona “E” – Kianja Taolagnaro
Androy, Anosy
Vondrona “F” – Kianja Ihosy
Ihorombe, Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony
Vondrona “G” – Kianja Antsirabe
Vakinankaratra, Menabe, Analamanga
Vondrona « H » – Kianja Manakara
Vatovavy sy Fitovinany, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana.