Jean Eric Duluc : « Hiroborobo ny fizahantany eto Madagasikara »

Azo antoka ny firoboro­bon’ny sehatry ny fizahantany ho an’i Madagasikara amin’ity taona 2023 ho avy ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ny fizahantany (FIT), Jean Eric Duluc, omaly. Tao­rian’ny krizy ara-pahasalamana nandalovan’ny firenena maneran-tany, efa manomboka misokatra ary mivelatra amin’ireo firenena hafa amin’io sehatra io ny eto Ma­dagasikara, hoy izy. Ani­san’ny naharesy lahatra azy ny nisaloran’ny trano fandraisam-bahiny « Le Combava » ny medaly volafotsy avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena ny fizahantany, tetsy Ambodihady, omaly. Noho ny zava-bitan’ireo mpiara-miasa tao anatin’io orinasa io ka nahafapo ireo mpizahatany ny taon-dasa teo, voafidy ho mendrika tamin’ireo trano fandraisam-bahiny sangany manerana ny Nosy izy. Nato­lotry ny filohan’ny FIT ta­min’ny anaran’ny talen’ny “Le Com­bava”, Setra Andria­mifidy io mari-pankasitrahana io. An­koatra azy, mpiasa sivy hafa koa nahazo fankasitrahana manokana.

Atao izay ahatongavan’ny mpizahantany
Ho an’ireo trano fandraisam-bahiny sasany kosa, to­kony hatao izay hahatongavan’ ny mpizahantany eto Mada­gasikara ary anjaran’izy ireo ny manome fahafaham-po amin’ny alalan’ny fandraisana sy mamaly ny hetahetan’ireo mpitsidika ireo. Tsia­hivina fa vao ho anisan’ireo firenena dimy voalohany maneran-tany misarika ireo mpizahantany ho an’ny taona 2023 i Madagasikara araka ny na­voakan’ny gazety boky amerikanina “Forbes”.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: