Ilaka Centre : fiara latsaka tanaty rano, tsy hita ny mpamily

Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola hita ilay mpamilin’ny fiara tra-doza avy namonjy fahoriana tany Farafangana, afak’omaly iny. Tokony ho tamin’ny 05ora sy sasany maraina teo, nilatsaka tokony ho fito metatra niala ny lalam-pirenena fahafito ilay fiara “Peugeot 205” noentin’ireo mpianakavy. Ni­varina tao anaty rano teo Antanimenakely, Ilaka centre 28km avaratr’Ambositra iza­ny. Vokany, tsy mbola hita popoka ny mpamily ka mbola karohina. Ireo olona hafa kosa avotra soa aman-tsara. Na teo aza ny ratra nahazo ny roa tamin’izy ireo dia tsy misy ahiana ny ainy.
“Resy tory aho tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza fa ilay fiara efa nitsoraka tao anaty rano no nanaitra ahy”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo mpandeha. Nam­barany tamin’izay fa efa tsy nahatsiaro intsony ny mpamily. Mafy ny dona nahazo ilay fiara, vaky ny “pare-brise” teo aloha sy aorian’ny fiara. Teo ihany koa no nahafan’ireo tra-doza nivoaka raha ny fanazavana hatrany.

Nidodododo
Nanaitra ny manodidina ity lozam-pifamoivoizana ity. Nivoaka nijery sy namonjy ireo niharam-boina ny fokonolona. “Mbola tao am-pandriana aho no naheno ity tranga ity ka nivoaka haingana nijery ny zava-misy”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo nanavotra. Notohizany fa niara-namonjy ireo tra-doza ny fianakaviany sy ireo olona teo amin’ny manodidina. Natao izay namoahana ireo mpandeha rehetra vao noezahina nakarina ilay fiara. Taorian’io, tonga teny an-toerana Rakotonirina Richard, prefen’Ambositra sy ny ta­lem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka, Amoron’i Mania niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana nitondra ireo niharam-boina namonjy to­bim-pahasalamana. Ankehi­triny tsy misy atahorana ny ain’ireo tra-doza. Fantatra fa mbola mitady ilay mpamily kosa ireo fokonolona.

Henintsoa Hani

Partager sur: