Tae-kwon-do WT – «Mada 2023»: hisantatra ny fifaninanana ny “Poomsae”

Hifantoka any Toamasina avokoa ny sain’ny mpitia haiady (Tae-kwon-do WT) rehetra, manomboka anio. Ho fantatra any mandritra ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena mantsy izay handrafitra ny ekipam-pirenena.

Hanomboka anio, ao amin’ny kianja mitafo Soavita Toamasina, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja Tae-kwon-do WT. Ny sokajy rehetra no handray anjara amin’izany. Hatreto, ligim-paritra fito amin’ireo sivy no nisoratra anarana hiady izay ho lohany amin’izany dia Analamanga, Ma­tsiatra Ambony, Vatovavy,
Va­kinankaratra, Betsiboka, Alao­­tra Mangoro ary Atsina­nana. Tsy anisan’ireo hifaninana kosa i Boeny sy Atsimo Andrefana.
Hisantatra ny fifaninanana amin’ity alakamisy ity, ny fihetsika mirindra “Poomsae”. Rahampitso zoma ary hitohy ny asabotsy hifaranan’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, ny Kyo­rugui (combat). Hatao amin’ity anio ity ny filanjana ho an’izany Kyorugui izany. Natao ho an’olon-tokana izy ity fa tsy misy ny isan-tarika. Tsiahivina fa anisan’ny ampiharina amin’ity ny fampiasana ny “système électronique Daedoo”, mahakasika ny isa azon’ny mpifanandrina. Raha vao mikasika ny arokibo sy tratra ny daka dia miseho ho azy ny isa. Tsiahivina fa mbola tamin’ny alalan’ny fahitan’ny mpitsara no nanomezana isa ho an’ny mpifanandrina.
Ankoatra izay, natao hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ity fifaninanam-pire­nena ity. Mampiavaka ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity ny tsy fi­sian’ny fivoriambe izay tokony hanaovan’ny federasiona ny tatitra ara-bola sy ny teknika ka hiandrasana fankatoavana “quitus” avy amin’ireo ligim-paritra. Anton’izany, tsy eto an-tanindrazana efa nandritra ny fotoana naharitra ny filo­han’ny federasiona fa any ampita.

Torcelin

FANDAHARAM-POTOANA “KYORUGUI”

Zoma 6 janoary
– Poussins (L sy v) : Sokajy rehetra
– Pupilles I ( L sy V) : Sokajy rehetra
– Pupilles II (L sy V) : Sokajy rehetra
– Benjamins (L) : -21kg / -24kg / -27kg / -30kg
– Cadets (L) : Sokajy rehetra
– Cadets (V) : -47kg / -51kg / -55kg / +59kg
– Juniors (L) : -48kg / -51kg / -55kg
– Juniors (V) : -42kg / -44kg / -46kg / -49kg / -52kg
– Seniors (L) : -54kg
– Seniors (V) : -49kg
Sabotsy 7 janoary
– Benjamins (L) : -33kg / -37kg / -41kg / -45kg
– Benjamins (V) : -23kg / -26kg / -29kg / -33kg / -37kg / -44kg / +44kg
– Minimes (L sy V) : Sokajy rehetra
– Cadets (V) : -37kg / -41kg / -44kg
– Juniors (L) : -45kg / -59 kg / -63kg / -68kg / -73kg
– Juniors (V) : -55kg / -59kg / -63kg / +68kg
– Seniors (L) : -58kg / -63kg / -68kg / -74kg / -80kg / -87kg
– Seniors (V) : -46kg / -53kg / -57kg / -62kg / -67kg / +73kg

Partager sur: