Nolazaina fa tsy tamana : razana no naverin’ny mpampiasa an’i Anja

Niala an-tan0na handeha hikarama saingy tsy tamana i Anja. Naverin’ny mpampiasa azy nody tany Miarinarivo saingy efa vatam-paty sy vatana mangatsiaka no notsenain-dreniny.

Mbola mitana ny sain’ ny maro ny raharaha momba ilay ankizivavy 15 taona maty afakomaly sy nalefa tamina taksiborosy nihazo an’i Miarinarivo. Ankehitriny, voatazona ao amin’ny zandarimaria ao Miarinarivo sy hanaovana famotorana ireo mpampiasa azy sy ny mpamilin’ny fiara nitondra ilay vata-mangatsiaka tsy nisy fahazoan-dalana.
Hatramin’ny ora nanoratanay farany, nandeha namonjy ny hopitalin’Anosiala, toerana nitondrana an’ilay tovovavy maty ny zandary hanao fanadihadiana eny an-toerana. Hojerena amin’izany ny antony nahafaty an’i Anja, araka ny baiko nomen’ny mpampanoa lalàna any an-toerana. Araka izany, tsy azo atao ny fandevenana raha tsy mivoaka ny valin’ny fanadihadiana.

Nitady asa
Araka ny vaovao nampitain’ny zandary any Miarina­rivo, sahirana ara-pivelomana ny renin’ilay tovovavy, kamboty ray izy ka nitady asa ho azy ny reniny. Araka izany, nifankahita tamina ramatoa talena sekoly iray ao Miarinarivo ilay renim-pianakaviana. Nilaza ilay talen-tsekoly fa mahita asa ho an’i Anja eto an-drenivohitra, izay ao amin’ny rahavaviny eny Ambohibao. Raikitra ny fifanarahana. Araka izany, niasa teny Ambohibao nanomboka ny 16 desambra teo ilay tovovavy. Tsy tamana anefa i Anja raha ny fanazavan’ireo mpa­m­piasa azy ka saika halefa nody saingy tsy nanaiky izany ny reniny, hoy ny depioten’i Miarinarivo. Ny alatsinainy 02 janoary teo anefa, narary ilay tovovavy ka noentina teny amin’ny hopitalin’An­osi­ala. Namoy ny ainy ny alarobia maraina teo izy. Nilaza ny dokotera fa matin’ny ha­semporana. Taorian’io, niantso ny renin’ilay tovovavy ireo mpampiasa azy mba ho tonga ao Miarinarivo hitsena ilay zanany. Ireo mpampiasa kosa efa nitondra ilay vata-mangatsiakany tamina fiara Sprinter, araka ny fampitam-baovao hatrany. Afakomaly tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany ha­riva teo, gaga ny renin’i Anja raha nahita ny vatam-paty nisy an-janany efa tsy nisy aina intsony. Niteraka savorovoro ny raharaha. Tsy nisy ta­ratasy milaza fahafatesana sy taratasy fahazoan-dalana hi­ton­dra izany koa ilay fiara. To­nga teny an-toerana ny zandarimaria sy ny mpitsabo tao an-toerana nijery ny zava-misy. Voamarina taorian’ny fi­zahan’ny dokotera fa maty natoraly ny ilay tovovavy, tsy nahitana mangana na ratra rahateo ny vatany. Taorian’ izay, noentin’ny fianakaviana any Manazary, toeram-ponenany ilay nofo mangatsiaka.

Ampiharana lalàna
Manoloana ity tranga ity, mangataka ny hijerena ny raharaha ny olom-boafidy ao an-toerana. Nangataka ny hampiharana ny lalàna amin’ ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona ny tenany. Voa­raran’ny lalàna ihany koa ny fitondrana razana tsy misy taratasy mazava. Tokony ho nilaza ny zava-misy ihany koa ireo mpampiasa fa tsy nanafina ny fahafatesan’i Anja, hoy hatrany ity olom-boafidy ity. Nanantena hitsena ny zanany mantsy ilay renim-pianakaviana saingy vata-mangatsiaka no novantaniny. Araka izany, manameloka tanteraka izao toe-javatra izao ny so­lom­bavambahoaka ao Mia­ri­na­rivo ka miantso ny tompon’andraiki-panjakana rehetra hijery akaiky ny rahraha. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Henintsoa Hani

Partager sur: