Lany faninenina hitantana indray ny Federasiona malagasin’ny bisikileta (FMC), mandritra ny efa-taona, i Relaha Jean Claude. Izany dia fantatra taorian’ny fifidianana natao omaly, teny anivon’ny biraon’ny komity olympika malagasy (Com) Ivandry. Tonga nanatrika ny lanonam-pifidianana tao avokoa ireo ligy fito, toy ny ligin’i Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Menabe, Diana, Vakinankaratra, Boeny ary ireo solontenan’ny minisiteran’ny Fanantanjahatena sy ny Komity olympika malagasy. Raha hiverenana ny zava-misy, ny filoha Jean Claude irery ihany no kandida nirotsaka hofidina, araka ny lalàna mifehy ny fifidianana dia azo ataon’ny mpifidy ny mandany azy amin’ny alalan’ny tehaka na ny “acclamations”, na manao ny latsa-bato. Taorian’io fanazavana io, lany avy hatrany tamin’ny alalan’ny tehaka mirefodrefotra ny filohan’ny FMC teo aloha, Relaha Jean Claude. Ilay vahiny Patrick Mickael no voatendry ho tale teknika nasionalin’ny FMC, ary Rakotonarivo Manohisoa kosa no voafidy hitondra ny ekipam-pirenena, amin’ny lalaon’ny Nosy ( JIO 2023).
“Misaotra an’ireo ligy fito, mbola nanome fahatokisana hiara-hiasa amiko indray. Hatao laharam-pahamehana ny lalaon’ny Nosy (JIO 2023), izay atao eto Madagasikara sy ny fampivoarana ny taranja bisikileta. Hojerena akaiky ny fivoaran’ny taranja bisikileta any amin’ireo faritra. Ary ezahina ny hanomezan-tsehatra ny vehivavy amin’ny fifaninanana”, hoy i Relaha Jean Claude, filohan’ny FMC.
Marihina fa ligy folo no misy eto Madagasikara. Saingy noho ny tsy fahavitan’ireo ligy telo sasany, toa an’Analamanga, Analanjorofo, Betsiboka ny fifidianana ny filohan’ny ligin’izy ireo dia tsy afaka mifidy.
Fitia (Mpianatra asa)