FFR : handimby an’i Bernard Laporte i Patrick Buisson

Taorian’ilay sazy nahazo an’i Bernard Laporte, filo­han’ny federasiona frantsay, taranja rugby, nanolotra an’i Patrick Buisson handimby azy ity lehiben’ny FFR ity. Vao­vao izay hita tao anaty tam­bajotraN-tserasera, omaly. Tsiahivina fa voasazy tsy mahazo mitondra ny FFR i Bernard Laporte, mandra-pahatongan’ny fitsarana azy. I Patrick Buisson dia filoha lefitry ny FFR. Araka ny lalàna mifehy ny satan’ ny Fede­rasiona rugby frantsay, azo atao ny ma­nendry ny filoha lefitra ho filoha, ka izay no antony nanendrena azy.
Ankoatra izay, tsy mety miravona tanteraka ny ady eo amin’ny FFR sy ny minisiteran’ny Fanatanja­ha­tena frantsay. Araka ny vaovao voaray, voampanga nanao ko­li­koly ity filohan’ny FFR ity. “Tsy manaiky hatramin’ny farany aho. Tsy misy vola voaraiko izany nandritra ireo lalao telo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa”, hoy i Bernard Laporte.
Tsiahivina fa i Frantsa no handray ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taona 2023.

Fitia ( Mpianatra asa)

Partager sur: