Jery taratra…: Aleo hazava… hilaminana

 

Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa eo anelanelan’ny 19 novambra sy ny 19 desambra no hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Araka ny lalàmpanorenana, iray volana mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, izay raha farafahelany ary roa volana mialoha raha farahaingany, raha tapitra amin’ny 19 janoary 2024 izay fe-potoam-piasana izay.
Nilaza ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy (MHM) fa ny sosialim-bahoaka no tokony hanaovana fikaonandoha, raha tena tia tanindrazana ny mpanao politika. Tsy tokony ho tia tena befahatany izy ireo, ka hieritreritra fitiavan-tseza na hanao adilahy politika hatrany. Ahina ny tsy hahatanteraka ny fifidianana noho ny tsy fahampian’ny tetibola. Manahy korontana koa ry zareo.
Mahatratra  9 240 ny antontan-taratasy voarain’ny Birao fandraisana fitarainana eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Ambohitsorohitra, ny taona 2022. Betsaka amin’izany ny momba ny karaman’ny mpampianatra Fram tsy voaloa, ny vola fisotroan-dronono diso kajy, ny faktiora tsy voaloa… Tsy mpamaha olana fa mandefa ny raharaha any amin’ny departemanta voakasika ny birao.
Takin’ny Unicef ny hamerenana ny vola 3 miliara Ar mahery, famatsiam-bola nahitana fandaniana tsy nifanarahana, teo anelanelan’ny taona 2014-2019. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hanaovana fanadihadiana izany. Hapetraka eo anoloan’ny andraikiny ireo tompon’antoka amin’ireo fandaniam-bola tsy mazava izany, izay midika ho fanodinkodinam-bolam-panjakana.
Tsy aleo hazava ny amin’izay rehetra izay? Amin’izay, hisy hilaminana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Zava-tsy inona akory amin’izao, mety hampikorontana an-toerana.

R. Nd.

Partager sur: