Raharaha Anja : mitohy ny fanadihadiana, efa mihasalama ny reniny

Taorin’ny hatairana saika niteraka rarin-tsaina ho an’ilay renin’ny tovovavy kely niasa ka namoy ny ainy teto an-dRe­ni­vohitra ny 02 janoary teo. Efa mihatsara ny fahasalaman’ io ramatoa io amin’izao fotoana. Sahirana ara-pivelomana, na­lefan’ny reniny avy any Mi­ari­narivo hiasa tamin’ny olona teto Antanana­ri­vo io tovovavy 15 taona, atao hoe Anja io. Tsy tamana anefa izy saingy nandà izany ny reniny noho ny tsy fananana, izy rahateo kamboty. Na­ra­ry tampoka izy ny andron’ny 02 janoary ka nentin’ny mpampiasa azy teny amin’ny hopitaly Anosiala. Tsy tana anefa ny ain’ity farany. Nen­tin’ny mpampiasa azy nihazo ny tany niaviany ny vatana man­gatsikany. Naharay antso ny reniny mba hitsena azy teny amin’ ny fiantsonan’ny taksibrosy. Ki­nanjo, efa vatana mangatsika ny zanany no tao anaty vata no novantaniny. Niditra an-tsehatra nanao ny fanadihadiana ny anton’ny fa­hafatesan’ io tovovavy io ny zandary. Voa­­marin’ny mpitsabo nanao ny fizahana fa maty natoraly i Anja. Notanan’ny zandary natao fanadihadiana ny mpamily ny fiara nitondra ny razana sy ireo mpampiasa ity tovovavy namoy ny ainy ity. Mbola tsy nalevina ny ra­zana fa miandry ny voka-panadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: