Mirongatra izaitsizy ny fahafatesana an-dalambe tao anatin’ny roa herinandro tao Toamasina. Namoy ny ainy noho ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fisotroana alikaola diso tafahoatra avokoa ireo olona ireo.
Tao anatin’ny tapa-bolana, izany hoe, nanomboka ny 22 desambra hatramin’ny 5 janoary teo, olona valo namoy ny ainy ka hita faty mitsirara an-dalambe tao Toamasina. Raim-pianakaviana iray tsy nahitana ratra saingy efa tsy nisy aina intsony tao Ambalamanasy, ny 22 desambra. Ankoatra io, lehilahy iray hafa koa hitan’ny fokonolona tavela teo amin’ny sisin-dalan’ i Tanamakoa. Mbola araka ny fanazavan’ireo mpitsabo nitsirika ny vatana mangatsiakan’ireto maty an-dalambe ireto (BMH), lazaina ho maty noho ny fisotroana diso tafahoatra ny olona iray raha toa ka tsy nahitana mangana na ratra kanefa misy fofon-toaka. Noho ny tsy fahampian’ny fitaovana ampiasaina entina hanaovana io fitiliana io, “rehefa tsy ahitana ratra na mangana ilay olona dia efa sokajiana fa maty ho azy na “mort naturel”, hoy ireo mpitsabo.
Tsy ampy sakafo
Ankoatra ny fisotroana tafahoatra, ny tsy fahampian-tsakafo teo amin’ireo olona ireo koa no anisan’ny nitarika ny fahafatesany. “Efa mihamarefo ny ain’ny olombelona noho ny fihinanana sakafo tapa-tsinay sy tsy ara-pahasalamana kanefa misotro tafahoatra ka mora resin’ny fahafatesana”, araka ny fanamafisan’ny mpitsabo matetika. Araka ny antontanisa, mitana ny laharana faharoa aorian’ny fahafatesana an-drano ity famoizan’aina olona eny an-dalambe ity ao Toamasina.
Sajo/ Tsiferana R.