Tifitra vary raraka, fira famaky izany no nanjo ireto lahy antitra mirahalahy ny faran’ny herinandro lasa teo. Notafihan’ny vinantony izy ireo, noho ny disadisa momba ny tanimbary.
Zava-doza no niseho tao Bevaho fokontany Ivolo, kaominina ambanivohitra Kotipa, distrikan’ Ivohibe, ny zoma teo. Niafara tamin’ny vono olona ny disadisam-pianakaviana tamina resaka tanimbary. Vokany, maty taorian’ny tifitra sy ny kapa famaky natao azy i Retsaha sy Mana, mpirahalahy, niasa ny tany. Olona miisa telo hafa ihay koa naratra mafy tamin’ity habibiana mahatsiravina ity. “Resaka tanimbary ny fototr’ity lonilonim-pianakaviana ity ka niafara tamin’izao ny raharaha”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao an-toerana. Taorian’io, nitsoaka nandao ny tanàna ireo olona miisa dimy voatondro ho nahavanon-doza ka mbola hifampitadiavana. Izy ireo izay nahitana ny vinanto lahin’ny lasibatra.
“Ny andron’io zoma io tokony ho tamin’ny 07 ora maraina teo, niasa teny an-tanimbary i Resaha sy Mana ary ireo olona telo. Tampoka teo, nirefotra ny basy. Nanafika azy dimy mianaka i Ramasy sy ireo zanany ary ireo namany. Vokany, voatifitra nandritra izay ireo olona roa voalaza etsy ambony raha naratra mafy kosa ireo namany telo hafa”, ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana.
Hazalambo
Minitra vitsy taorian’io, noentina vonjimaika teny amin’ny hopitaly ireo tra-doza saingy namoy ny ainy teny an-dalana ireo olon-dehibe miisa roa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola mitsabo tena ao amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo namany telo hafa. Etsy ankilany, tsy nitazam-potsiny ny zava-nisy ny zandarimaria ao an-toerana. “Nomena toro marika ny kaomandin’ny kaompanian’Ivohibe hidina an-tsehatra hanao hazalambo ireo nahavanon-doza. Nomena baiko ihany koa ny zandary hanetsika ny kalony sy ireo andrimasom-pokonolona mifanolo-bodirindrina hanamafy ny fiambenana ny kizo rehetra mety handalovan’ny dahalo”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondrom-tobim-paritry ny zandarimaria ao Ihorombe.
Henintsoa Hani