Tenisy ambonin’ny latabatra- Mada 2022 : Andeha hiofana any Chine i Takko sy Océane

I Lefitriniaina Henry Rinauld na Takko, mpilalao tenisy ambonin’ny latabatra (TAL) lehilahy, an’ny Jo­vena Analamanga sy i Ra­ko­tondrazaka Océane, mpilalao TAL vehivavyn’ ny CJSI Toamasina no nahazo ny tapakila misidina, hiofana any Chine. Tsiahivina fa izy ireo no tompondakan’i Ma­dagasikara, taona 2022, amin’ ity taranja ity ho an’ny sokajy 1ère série, rehefa avy nanao ny lalao famaranana, omaly. Izay notanterahina tao amin’ny kianja Palais de Sport Mahamasina.
Raha iverenana ny lalao famaranana nataon’izy ireo, lavon’i Takko tamin’ny seta 3 no ho 1, Randrianatoandro Mahefa Luciano, mpilalao an’i Acacia Analamanga. Resin’i Océane, tamin’ny seta 3 sy 2 kosa i Dimbi­miarilanitra Harena, mpilalao an’i Acacia Analamanga ihany koa. «Azo lazaina fa efa mivoatra ny mpilalao, isan’izany ny nandavoan’i Océane an’i Tiana, tompondaka farany, teo amin’ny 1ère série vehivavy, tamin’ny lalao manasa-dalana. Mbola hisy fifantenana farany hahafatarana ireo mpilalao enina handrafitra ny ekipa nasionaly hanao ny lalaon’ny Nosy (JIO 2023)», hoy ny Tale teknika nasio­naly.
Marihina fa ankoatran’izy mianadahy, mbola misy mpilalao 6 hiaraka amin’izy ireo amin’io fiofanana any Chine io. Izany dia natao hampitomboana ny fahaizan’ireo mpilalao, hanao ny lalaon’ny JIO 2023, izay hotanterahina eto amintsika, ny volana Aogositra.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: