Nifarana, omaly, ny fifaninanam-paritra, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy U-19. Fifaninanam-pirenena izay notanterahina tany amin’ireo toerana fito, toa an’Antalaha, Tsiroanomandidy, Toamasina, Taolagnaro, Ihosy, Antsirabe, Manakara.
Araka izany, nisy ireo ligy nitaraina teny anivon’ny mpikarakara, amin’ny resaka hala- taona. Marihina fa tany am-piandohana dia efa nametraka ny fepetra ny eo anivon’ny federasiona malagasy ny baolina kitra, fa izay tratra manao izany dia hosaziana avy hatrany. Andrasana, araka izany, ny mety ho tohin’ity raharaha ity.
Ankoatra ireo, ekipa mifaninana any Port-berger, toy ny faritra Melaky, Sofia, Boeny, efa fantatra avokoa ireo ekipa fito amin’ny valo, izay hiakatra amin’ny dingana faharoa. Izay hatao ny 25 febroary hatramin’ny 5 marsa ho avy izao. Isan’izany ny faritra Vakinankaratra, Sava, Anosy, Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Itasy, Atsimo Andrefana ary i Port-Berger.
Tsiahivina fa natao hifantenana ny Barea U-20 hanao Cosafa ity fifaninanana ity. Nahemotra ny 13-15 janoary ho avy izao ny lalaon’ireo ekipa ao amin’ny vondrona Port-Berger, noho ny olana avy amin’ny faritra Melaky.
Fitia (Mpianatra asa)