Hifantoka any Algérie avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra manomboka ny zoma 13 janoary izao, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Hiaina izany mivantana ny Malagasy amin’ny alalan’ny TVM.
Hita tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraseran’ny fahitalavi-pirenena (TVM), omaly alatsinainy fa handeha mivantana amin’io televiziona malagasy, hany mahenika an’i Madagasikara io, ireo lalao rehetra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Anisan’ireo ekipa hiatrika izany mantsy ny Barea de Madagascar, izay sambany vao tafita amin’izany dingana famaranana izany. Voalaza fa novidin’ny fitondrana ny saran’ny fandefasana ny sary. Tsy voalaza ny totalim-bidin’ny fividianana ny fampitana mivantana ny lalao amin’ity “Chan 2023” ity.
Etsy an-kilany anefa, nambaran’ny Africa Sports fa nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF), alalana handefa maimaim-poana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonana rehetra, ireo firenena 18 tafakatra hifaninana amin’ity “Chan 2023” ity.
Toy ny tamin’ny taona 2019, niatrehan’ny Barea ny Can, natao tany Egypte, mbola hianoka ao anatin’ity fetin’ny baolina kitra afrikanina ity izany ny vahoaka mpiondana baolina kitra.
Ankoatra ny TVM, misy ireo fahitalavitra nividy ny sary ka afaka mandefa izany lalao izany koa toy ny Canal Plus sy ny Startimes.
Mandra-piandry izany, tsiahivina fa ao anaty vondrona “C” ny Barea de Madagascar, miaraka amin’ny Lionan’i Atlas avy any Maroc, tompondaka farany. Eo koa ny Kintana maintin’i Ghana ary ny Les Faucons de Jediane an’i Soudan.
Araka ny fandaharam-potoana, hidona amin’i Ghana ny Barea, ny 15 janoary eo amin’ny lalao voalohany ary hifanandrina amin’i Maroc, ny 19 janoary, amin’i Soudan kosa ny 23 janoary. Tafita amin’ny manasa-dalana ireo roa voalohany be isa indrindra.
Ao amin’ny kianja Constantine avokoa ny hanatontosana ireo lalao fifanintsanana ireo.
Tompondaka