Nilalao basy : zanaka zandary nahafaty ny namany

Nirefotra tampoka ny basy nentin’ny tovolahy iray, zanaka zandary, ny asabotsy teo. Maty voatifitra ny namany izay niray lakana taminy.

Maty voatifitra tsy nahy ny tovolahy iray, niala sasatra tany Mananara Avaratra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny zanaka zandary, nilalao ny basim-boron’ny rainy. Raha ny loharanom-baovao voaray, nikasa hitodi-doha hihazo an’i Toamasina ny alahady teo ity tovolahy namoy ny ainy. Nambaran’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary hatrany, niaraka nandeha lakana ireto tovolahy mpinamana. Nitondra ny basin’ny dadany ny iray. Nilaza izy fa mahay mampiasa izany ka eny ambony lakana amin’iny renirano ao Fotsimavo iny izy no hitifitra tsiriry sy vorondrano. Mandritra izany, tsy mitsahatra mikitikitika ilay basy izy. Tampoka teo, nipoaka ny basy teny an-tanany. Niantefa tany amin’ilay tovolahy namany ny bala ka maty tsy tra-drano izy.

Nampandosirina

Niakatra ny hatezeram-pokonolona tao an-toerana nahita ity zava-niseho ity. Amin’ny maha zanaka zandary azy, niaro ilay tovolahy nahavanon-doza ny zandary ka nampandositra azy any Maroantsetra. Manahy anefa ny fokonolona fa ho vitavita ho azy ity raharaha vonoan’olona tsy niniana natao ity.
Nanamafy ny kaomandim-paritanin’ny zandarimariam-pirenena, ny Kly Rabemanan­tsoa Josh fa efa am-pelatanan’ny zandary ny raharaha. Misokatra ny fanadihadiana. Mandra-piandry ny izany, tsikaritra fa misy ihany ny tandrevaka sy tsy fahamailoana amin’ny fihazonana ireny fitaovam-piadiana azo tazonina any an-trano ireny. Aiza ny fanamafisana ny lalàna mifehy amin’ny hahafahan’ny olon-tsotra mitondra ireny basy ireny mivoaka ivelany (eny fa na zanaka mpitandro filaminana aza) ?

Sajo/J.C

Partager sur: