Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randriamiandrisoa Jessica, ilay Malagasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany.
Raha tsiahivina, misy fitsapana maro tsy maintsy lalovana ka anisan’ireny ny fahaizana mifehy ny solosaina amin’ny fanamarinana ny momba ireo mpikatroka. Eo koa ny fanaovana mpitsara an-jorony. Jerena avokoa ireo rehetra ireo ka raha mahafeno ny fepetra takiana aminy dia afaka miditra amin’ny dingana faharoa indray i Jessica. Tsiahivina fa miisa dimy ny fiofanana atao vao tena mivoaka ho mpitsara matihanina.
Raha tsiahivina, feno 15 taona androany 11 janoary i Jessica, izay tepana mainty “1ère Dan”. Nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, tamin’ny taona 2018, teo amin’ny “Poomsae” na fihetsika mirindra.
Marihina fa zana-dRandriamiandrisoa Nicolas de Gonzague, 6 è Dan, tompondakan’i Frantsa 2018 sady tompondakan’i Afrika 2022, tamin’ny “Poomsae”. Izy no tomponandraikitry ny vaomiera teknika ny klioba Pays de Loire.
Torcelin