Aza avadika ny rasa

Mangotrakotraka ny raharaha politika, mandra-pivoakan’ny mpikambana vaovao amin’ny governemanta. Mahazo vahana mifanaraka amin’izay ny olam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa. Taiza teto Madagasikara no misy izany hoe mivaro-janaka eny amoron-dalana, raha tsy vao izao. Ny hanamarina na handiso ny vaovao aloha hatreto sarotra ihany, ho an’ny mpanao gazety, izay tsy afaka midina ifotony. Ny loharanom-baovao mitatitra sy mampita izany koa samy manana ny firehany sy ny tombontsoa arovany. Aleo tsy miteniteny foana. Na inona na inona zava-misy marina, tsy azo tsinontsinoavina ny fanaovana tsindry hazo lena amin’ny zaza malagasy, ankehitriny. Very ny hasina maha olona, very ny maha-malagasy antsika izay sarotiny amin’ny hoe zanaka no harena. Mivadika tanteraka ny rasa.
Tsy hita ny hanazavana ny fahamaroan’ny ankizikely, mangataka sy miriaria eny rehetra eny, tsy misy mpiahy. Firifiry no miditra anaty sehatry ny asa tsy « lera ». Tsy manan-jo ny hitaraina. Mampatsiahy an’ilay «Raharaha Anja » niseho tamin’ity herinandro ity izany. Nentim-po avokoa Ramalagasy, nahita sy nahare fa vata-paty sy razana no naverin’ny mpampiasa azy tany amin-dreniny. Nisy ampahan-tantara, mahatonga saina anefa anatin’ireny. Efa nitaraina nody izy, tsy nanaiky ny reniny fa hoe mila mikarama. Niarahan’ny rehetra nahita ny fiafaran’ny tantara, narary dia maty sempotra izy. Mihatra aman’aina ny tsindry.
Tsy azontsika hodian-tsy hita, ny firongatry ny zatovo, mivarilavo amin’ny tsindrona zava-mahadomelina. Tsy ampy azy ireny intsony ny fidorohana rongony. Mivadika amin’ny fatra henjakenjana toy ny héroïne sy ny cocaïne. Tsy eto an-drenivohitra irery ihany no misy izany. Efa hatrany Andilamena, izay heverina ho distrika isan’ny lavitra indrindra eto Madagasikara, miparitaka ny tsindrona ankehitriny. Potehina ny tanora, mba tsy ho atoky ny ho avy intsony !
Aiza anefa ny fepetra mba raisan’ny mpitondra sy ny fiarahamonina, ary ny ray aman-dreniny ? Moa tsy ny zaza na ny tanora hatrany no homen-tsiny. Lazaina fa zaza maditra tsy vanona. Matetika anefa isika olon-dehibe no mpitari-bato vilam-bava. Mialokaloka amin’ny antony samihafa, tsy manome lanja intsony ny hasin’ny fanabeazana. Rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava anefa mipepopepo ihany. Koa atsipy moramora eny ny teny ho ao am-pon’ny mahalala !

r.r

Partager sur: