Andro iray sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”. Araka izany, navoakan’ ny Kaonfederasiona afrikanina taranja baolina kitra (Caf), ny “Marhaba”, anaran’ilay baolina ofisialy holalaovina mandritra izany. Vaovao izay navoakan’ny Caf tao anaty tambajotran-tserasera, omaly.
“Marhaba” izay midika amin’ny teny malagasy hoe “tongasoa”. Niainga tamin’ ny aingam-panahin’ny Chan sy ny firenena Alzeria, ny loko hita mandravaka ny baolina, isan’izany ny loko fotsy, mena, maitso, mavokely.
Marihina fa hanomboka rahampitso 13 janoary ary hifarana ny 4 febroary ho avy izao ny Chan 2023. Hanokatra ny lalao amin’izany ny ekipan’i Alzerianina, mpampiantrano sy Libya, ao amin’ny kianjan’i Nelson Mandela ao Alger.
Tsiahivina fa mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny Barea de Madagascar, ary ny 15 janoary ho avy izao, izy ireo no hihaona amin’ny Ghana. Marihina fa tsy lasa i Rado kely, noho izany, hijanona ho 23 ny isan’ireo mpilalao handeha ho any Alzeria.
Fitia (Mpianatra asa)