Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha hala-jaza tao amina klinika iray ao Tanambao Toliara. Ankehitriny, miisa efatra ireo voasambotra sy hanaovan’ny polisim-pirenena famotorana. Isan’izany ilay vehivavy mpampivelona iray, renim-pianakaviana mpandraharaha iray sy ireo mpiasa roa tao amin’ilay klinika. Vesatra hanenjehana ilay vehivavy voalaza ho tompon’antoka tamin’izany ny fisandohana andraikitra. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny antony nahatonga azy nanao ity hala-jaza ity. Efa hita sy avotra soamantsara omaly kosa ilay zazalahikely.
Teraka ny alatsinainy teo tao amin’io kilika voalaza etsy ambony io ilay renim-pianakaviana iray. Ny talata maraina teo, nisy vehivavy iray nisandoka ho mpampivelona namonjy azy. Nandrebireby ilay tera-bao izy niaraka tamin’ireo vehivavy mpiandry telo hafa. Taorian’izay, noentin’ilay mpisandoka ho rasazy hampandroina ilay zazalahikely tsy mbola nahazo anarana. Mintra maro taorian’izay, tsy niverina ilay ramatoa ka nampandre ny polisy ireo fianakaviana. Nisokatra ny famotorana. Nojerana avokoa ireo “caméra de surveillance” tao an-toerana. Etsy ankilany, niziriziry sy tezitra mafy ny havan’ilay renim-pianakaviana sy ny fokonolona ka nitokona tsy niala teo anoloan’ilay klinika ary saika nandoro izany mihitsy, hoy ny polisy ao an-toerana
Nilaza fa niteraka
Taorian’izay, nisy ny loharanom-baovao voarain’ny polisim-pirenena. Hita tamina «caméra de surveillance» ihany koa ny endrik’ilay vehivavy naka ilay zaza ka nokarohina fatratra. Araka izany, hita tao Ankilimarovahatra ilay ramatoa sy ilay zaza very. Nilaza anefa izy fa vao teraka ary zanany tokoa ilay zazakely teo anilany. Nanamafy izany rahateo rangaha vadiny.
Ary nanonona anarana rasazy nampiteraka azy mihitsy ilay ramatoa. Araka izany, nokarohina ny toerana misy ilay mpampivelona nambarany. Ankilan’izay, nojeren’ny fianakavian’ilay renim-pianakaviana tera-bao koa ilay zazakely. Nohamafisiny fa ilay zazalahikely very sy nalaina tokoa izany. Vokany, voasambotra teo ilay ramatoa sy ny vadiny. Nosamborina ihany koa ny rasazy iray namany niray tsikombakomba taminy. Voaporofo tao anatin’izany fa tsy niteraka velively ilay ramatoa. Voaporofo koa fa tsy zanany ilay zazalahikely nolazainy etsy ambony. Tsy mijanona eto ny famotorana ary hiakatra fampanoavana aorian’izay ny raharaha.
Henintsoa H.