Fanadiovana lakandrano, midika fanatsarana atao any amin’ny kaominina ambanivohitra Mandritsara, momba ny rano manondraka tanimbary sy karazam-boly hafa any an-toerana sy amin’ireo kaominina manodidina. Anisan’ny asa goavana ny fanadiovana ny lakandrano Sahatsindry, mirefy 8 km, ao amina fokontany iray, kaominina ambanivohitra Mandritsara. Nodiovina izany hitsinjovana ny fambolena ; eo koa ny fanamboarana tetezana. Tombontsoa amin’izany, mba tsy handany fotoana intsony eo amin’ny fambolena izay tsy maintsy miampita amin’io tetezana io avokoa ny mpamboly. Ampy tanteraka koa izao ny rano hanondrahana ny voly vary sy ny voly avotra. Tsy hisy intsony ny miady rano. Ny Fikambanana Mitabe (Miray tanteraka Betafo) no miantoka ny fitaovana sy tambin-karama, ny fokonolona kosa no manao ny asa.
Mizara roa ny fikatonan’ny jono an-dranomamy any amin’ny faritra Menabe. Voalohany manomboka ny 7 oktobra hatramin’ny 4 desambra 2022, ho an’ny distrikan’i Morondava, Mahabo, Miandrivazo, Imanja. Fikatonana faharoa, manomboka ny 1 desambra hatramin’ny 31 janoary 2023, ho an’ny distrika Belo Amoron’i Tsiribihina, ahitana matsabory betsaka. Mafana ny andro no mihena ny rano amin’ireo fotoana ireo koa hararaotina ny maha be atody ny tilapia, karazana fy betsaka indrindra any Menabe. Izay no antony hanidiana ny jono any an-toerana. Narahina fampahafantarana ny lalàna momba ny jono an-dranomamy izany, ary nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny mpanjono sy ny mpandraharaha momba ny jono.