Basikety – «Mondial U19» : ho mpifanandrina amin’ny Ankoay ny Bekintana

Firenena goavana maro no efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja ba­sikety lalaovina olona dimy, ho an’ny sokajy zandriny U19 lehilahy. Fihaonana hotanerahina any Debrecen Hongrie, ny 24 jona ka hatramin’ny 2 jolay 2023. Fantatra ary izao fa anisan’ireo efa tafita ihany koa ry zareo Ame­rikanina (Bekinta­na), izay azo lazaina fa anisan’ny andrarezina amin’ity taranja ity ary manana herijika handrombaka ny amboara. Eo koa ry zareo Argentine sy Brésil ary Ca­na­da miampy ny mpampiantrano izay manana tombony noho izy ireo hilalao ao amin’ny kianja mahazatra azy sy manoloana ireo mpanohana. Tsy hadinoina ihany koa ny Frantsay izay efa manana traikefa betsaka amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.
Na tsy mbola voazara aza ny vondrona, ho mazana ny miandry ny Ankoay amin’ity. Madagasikara izay sambany hiatrika izany fifaninanana eran-tany izany. Ankoatra izay, mbola hiatrika ny “Mon­dial” ho an’ny basikety lalaovina olona telo koa ny An­koay lehilahy ihany. Fifanina­na­na hatao any Aostralia ny fiandohan’ny volana jona ho avy izao. Araka izany, tokony efa hanomboka ny fanomanantena sy ny fampivondronana ireo mpilalao hahatsara ny vokatra, amin’ireo lalao goavana roa ireo.

Tompondaka

Partager sur: