Indray mijery

Miampy faritra efatra vaovao ireo misitraka ny te­tikasa Fafy manomboka amin’ity taona ity : Atsinanana, Androy, Atsimo Atsinanana, Anosy iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Nanomboka ny taona 2018, faritra sivy, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Analamanga, Bon­go­lava, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany Amoron’ i Ma­nia ary Itasy no nanatanterahana ny tetikasa. 600 ireo mpiasan’ny fahasalamana noraisina niasa tamin’ny alalan’ny tetikasa Fafy ary maherin’ny 800 ireo tobim-pahasalamana fototra nisitraka fampitaovana. Maimaimpoana avokoa ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny zaza latsaky ny 5 taona, ny reny bevohoka sy ny mpiteraka ary ny reny tera-bao hatramin’ny fahenina herinandro eny anivon’ireo CSB II sy toby iasan’ ny tetikasa Fafy.

Nihaona tamin’ireo mpianatra traboina noho ny haitrano teny amin’ny Cité Vontovorona ny ministry ny Fampi­anara­na Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Assoumacou Elia Béatrice. Nambarany fa mijery ny fomba rehetra hanampiana azy ireo ny tenany. Hijery manokana ny hahazoana indray ireo taratasim-panjakana saropady toy ny “diplômes” may tamin’iny fotoana iny ho an’izay voakasik’izany ny minisitera. Ankoatra izay, nanolotra fitaovana ihany koa ny minisitra. Kidoro 22, vary 10 gony, vilany 22 isa, kahie 2 baoritra, stylo, “porte vue” 52, “Ram de papier” 2 baoritra, arovava orona ary valopy ho fanampiana ho an’ny mpianatra izay nonina tao amin’ny Bloc 15 eny Vontovorona . Efitrano 16 no may, mpianatra 52 no traboina, vokatry ny haintrano nitranga tao amin’ny Bloc 15.

Anisan’ny nosafidin’ny Unicef ho mpisitraka ilay fitaovana “LEGO Play Box”, izay boaty lehibe ahitana kilalao fanorenana samihafa avy amin’ny orinasa LEGO, ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Anosy. EPP dimy avy ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Tao­lagnaro no misitraka izany : EPP Lafitsinanana, EPP Ta­nambao, EPP Ambinanibe, EPP Mahasihanaka , ary ny EPP Andrakaraka. Manao fanazarana ny fomba filalaovana sy fikirakirana izany ireo mpampianatra sy talen-tsekoly 15 voakasika.

Partager sur: