Kitra – «Chan 2023»: mety halalaka ny lalan’ny Barea, niala an-daharana i Maroc

Araka ny vaovao farany tao anaty tambajotran-tserasera, dia tsy isan’ireo ekipa handray anjara amin’ny « Chan Algérie 2023» i Marôka. Nihena iray izany ny vondrona « C », izay misy an’i Barea de Madagascar sy Ghana ary Soudan.

Vaovao iray vao mafana ihany koa no nahalalana fa tsy ho anisan’ireo handray anjara amin’ity andiany fahafito amin’ny “Chan 2023” ity ny Lionan’i Atlas Marôka. Ry zareo maraokanina izay miray sokajy amin’ny Barea de Mada­gas­car. Araka ny taratasy na­lefan’ny federasiona maraokanina, tsy nahazo fanamarinana ny amin’ny fa­hazoan-dalana mampitohy an’i Maroc sy i Constantine ny si­dina Royal Air Maroc (RAM), izay mpitatitra ofisialy ny Lionan’i Atlas Maroc.
Araka izany, tsy misy afa-tsy ekipa telo izany ny ao amin’ity vondrona “C” ity dia ny Barea de Madagascar, ny Black Galaxies Ghana ary ny Les Crocodiles du Nil Sou­dan. Tsiahivina fa miakatra amin’ny ampahefa-dalana izay ekipa roa voalohany isam-bondrona. Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’i Ghana ny Barea ny alahady 15 janoary. Miala sasatra ary tsy miverina miakatra kianja raha tsy ny 23 janoary midona amin’i Sou­dan. Manana herijika tsara, araka izany, ny Barea hiakarana amin’ny dingana manaraka.

Miara-mipetraka amin’ny hotely iray ny Barea sy i Ghana

Efa tonga any Algérie avokoa ireo firenena 18 hiady izay ho tompondakan’i Afri­ka, ta­ranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, andiany fahafito. Fifaninana­na hanomboka amin’ity zoma 13 janoary ity. Anisan’ireo hi­faninana amin’izany ny Barea de Mada­gascar. Rehefa avy niatrika lalao fanomanana tany Tonizia ny ekipam-pirenena malagasy dia efa tonga ao Constantine, ny alarobia alina. Toerana misy ny kianja hiatrehan’izy ireo ny lalao fifanintsanana.
Noho ny fandaminana na­taon’ireo tomponandraikitra, miaraka mipetraka ao amin’ny hotely Golden Tulip Hotel Alexandre, ny Barea sy ny Black Galaxies Ghana. Ny ekipa roa tonta izay tsiahivina fa miaraka ao amin’ny vondrona “C”.
Izy ireo ihany koa no hanao ny lalao voalohany amin’io sokajy io, ny alahady 15 janoary ho avy izao. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny roa tonta satria ankoatra izao fiarahana amin’ny “Chan 2023” izao, mbola miray vondrona ihany koa ho an’ny fifanintsanana ny “Can”.

Tompondaka

Partager sur: