Amin’izao ratra mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalao rugby frantsay, izao dia nanavao indray ny fifanarahana tamin’ilay klioba La Rochelle Frantsa ny tenany. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Marihina fa efa nisy ny feo nandeha tany an-toerana fa hifindra hilalao any amin’ilay klioba iray tao Paris, renivohitr’i Frantsa, i Danty.
Manoloana izany dia nanao fanambarana ny tenany fa tsy marina io vaovao io. “Izaho ary maka aina tsara, ato an-trano. Ary manaraka fitsaboana. Tsy hifindra izany ny tenako”, hoy i Jonathan Danty.
Tsiahivina fa i Danty dia tsy afaka milalao mandritra ity taona 2023 ity, nohon’ny faharatrana eo anivon’ny lohaliny. Mbola manana fifanarahana amin’ny La Rochelle mandritra ny iray taona ity mpilalao frantsay ity, saingy izao nohavaoziny hatramin’ny 2027 izao indray.
Ankoatra izay, tsy ho isan’ireo mpilalao hanao ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny taranja Rugby 2023, izay atao any Frantsa, i Danty. Fifaninanana izay hanomboka amin’ny 8 septambra hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao. Ny mpanazatra an’i XV de la France, Fabien Galthié, izay hamoaka ny lisitr’ireo mpilalao, hanao ny fifaninanana « 6 Nations », amin’ny ity volana janoary ity. Ny « 6 Nations » izay hanomboka amin’ny 4 febroary ho avy izao.
Fitia (Mpianatra asa)