Taorian’ilay filazana fa hoe tsy handray anjara amin’ny “Chan 2023” i Maroc, ny 12 janoary lasa teo, niverina nandray anjara amin’ ity fifaninanana ity indray izy ireo. Niainga omaly maraina, nandeha nihazo an’i Alzeria, ny delegasiona maraokanina. Araka ny vaovao tao anaty tambajotran-tserasera, ny zoma 13 janoary lasa teo.
Marihina fa tsy afaka misidina any Alzeria ny Maraokanina, noho ny ady politika amin’ny resaka tany misy eo amin’ny roa tonta, nanomboka ny 22 septambra 2021. Ankehitriny anefa, afaka mandray anjara tsara amin’ny Chan 2023 izy ireo, efa nisy ny taratasy fahazoan-dalana mankany Alzeria, nalefan’ny Fifa tany amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny maraokanina.
Mety ho sarotra indray ny lalan’ny Barea izany. I Maroc tompondaka farany tamin’ny 2021 no miray vondrona amin’ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa ny 15 janoary izao no hiakatra kianja ny Barea, ary ny Black Galaxies Ghana no hihaona amin’izy ireo.
Ankoatra izay, niainga omaly hamonjy ny Barea any Alzeria ihany koa ilay mpilalaon’ny Fosa Junior Boeny, Rado kely. Izy izay nolazaina fa tsy ho lasa any an-toerana noho ny tsy fisiam-bola.
Fitia (Mpianatra asa )