Niarahaba sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina ny fikambanana IFI (Isika Fikambanana miara-dia amin’ i Andry Rajoelina), omaly. Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny lanonana. Tonga nanatrika izany teny an-toerana Ramanambitana Richard, filohan’ ny fikambanana IFI sy ireo mpikambana eny anivon’ny boriborintany enina ary ny mpikambana eny anivon’ny distrika manodidina eto an-drenivohitra. Nilaza ny filohan’ny fikambanana IFI nandritra izany fa mbola hitohy ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Vonona hatrany izy ireo amin’ny fanampiana ny fanohanana ny ben’ny Tanàna, raha ny fanazavana hatrany. Mba hahafahana mampandroso ny tanànan’Antananarivo sy ny fokontany tsirairay avy izay tafiditra amin’ ny fanatanterahana ny veliranon’Iarivo. Nandefa firariantsoa ho an’ireo mpikambana tonga teny an-toerana ny ben’ ny Tanànan’Antananarivo taorian’ny lanonana. Nilaza izy fa ity taona 2023 ity dia taona ahafahana mandray ny vokatra tamin’ireo asa vita rehetra tao anatin’ny telo taona lasa. Nilaza izy fa soa ho an’ny tanàna sy ny kaominina ary ho an’ny firenena amin’ny ankapobeny ny ezaka natao rehetra, hiara-hijinja ny vokatra rehetra isika Malagasy.
Mino
(Mpianatra asa)