Mifantoka any Algérie avokoa ny sain’ny rehetra, nanomboka omaly zoma, nanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Anisan’ireo miatrika izany ny Barea de Madagascar, izay hiditra an-tsehatra rahampitso alahady. Hifandona amin’ny Black Galaxie Ghana ry zalahy amin’ity andro voalohany ho an’ny vondrona “C” ity. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianja Constantine.
Araka ny fampitam-baovao, anisan’ireo hitantara mivantana ny lalao ao amin’ny Canal Plus Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar, teo aloha. Ankoatra izay, vonona tanteraka ny Barea hiatrika ity lalao ity. Salama tsara avokoa ry zalahy ary efa ao anatin’ny fifantohana amin’izany fihaonana izany. Tsiahivina fa hanomboka amin’ny 10 ora alina ny lalao.
Tompondaka