Nahabe resaka ny amin’ny hoe fisian’ny renim-pianakaviana mivaro-janaka any amin’ny distrikan’Ikongo. Noho ny fahasahiranana sy ny fahantrana no hoe antony fa misy ny tsy fanjarian-tsakafo. Tafaka-dapa ny resaka. Tsy ekena ny fanelezana vaovao tsy marina hanakorontanana ny saim-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Lasa fitaovana politika eo an-tanan’ny sasany izay.
Ranolava ny famoahan-kevitra fa tsy marina ny fisian’ny fivarotan-janaka: tsy kolontsaina malagasy, manahirana, tsy azo eritreretina… Samy namoaka fanambarana ny amin’izany ny ankamaroan’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy tany an-toerana sy ny avy amin’ny fitondrana foibe, ny mpitandro filaminana, ny fikambanana tsy miankina, ny rafitra mpiaro ny zon’ olombelona…
Hilamina eo ny amin’izay? Tsy mampilamina ny mpisehatra politika sasany ny mbola tsy namoahan’ny Ceni ny tetiandrom-pifidianana: hisy fifidianana sa tsia amin’ity taona ity? Misy koa ny firaisamonina sivily mitaky ny hamoahana faran’izay haingana ny tetiandrom-pifidianana. Mahabe resaka ny sasany koa ny amin’izay vola enti-manana izany. Hanao ahoana?
Na eo aza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, ny fiatrehana ny fiainana andavanandro aloha no zava-dehibe sy maika amin’ny vahoaka? Mahabe resaka ny fidangan’ny vidim-bary, indrindra vokatra eto an-toerana. Maro ny mikaikaika na eo aza ny fanazavana fa tsy misy fisondrotana firy ny vary nohafarana. Ny fahefa-mividy no sarotra sy manahirana?
Hanao ahoana raha sanatria mbola hanampy trotraka izany ny fitokonan’ny mpitatitra entana amin’ny kamiao? Noho ny faharatsian’ny lalam-pirenena RN 2 no hoe antony. Mila alamina…
R. Nd.