Nirefotra ny basy: olona iray maty voatifitra, lasa ny 100 tapitrisa Ar

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amina mpandraharaha jirofo, omaly tamin’ny 5 ora sy 20 mn. Lasan’ny jiolahy ny volabe 100 tapitrisa Ar, olona iray maty voatifitra…

Efa sahy mihantsy mpitandro filaminana! Ni­horohoro indray ny mponina nandritra ny fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ity tokantrano ity omaly. “Mandanja jirofo izahay fito lahy mpiasan’ny patron no nisy roa lahy niditra tao amin’ ny efitrano fiasanay. Nandra­hona sady nampandry anay tamin’ny tany izy ireo ka tsy navelany hitraka mihitsy izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpiasan’ilay mpandraharaha.

Lasa tany amin’ny toerana nisy ny volabe ny iray amin’ ireo jiolahy ka naka ny sakaosy nisy vola 100 tapitrisa Ar. Taitra tampoka ny zanak’ilay mpandraharaha jirofo ka nitolona ilay jiolahy nitondra ny vola.

Raikitra teo ny fifampitolomana satria tsy nanaiky lembenana ilay tovolahy ma­noloana ny vola tamin’ny sakaosy lasan’izy ireo. Nitifi­tra tampoka avy aoriana anefa ilay jiolahy niandry ireo fito lahy nihohoka tamin’ny tany. Gorobaky ny bala ny vatan’ ilay niharam-boina. Niante­fan’ny bala koa ny mpiasa iray tao an-trano.
Tovolahy iray miady amin’ny fahafatesana…

Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahazo ny vola. Mbola nitohy hatrany anefa ny tifitra variraraka tsy an-kijanona raha tsy efa tafavoaka ny lalana eo Tanamakoa ireo olon-dratsy, araka ny fitantaran’ireo mpiasa nanatri-maso izany. Nentina haingana namonjy hopitaly ireo roa lahy voan’ny bala saingy tsy avotra intsony ny ain’ilay zanaky ny patron mpandraharaha jiro raha mbola miady amin’ny fahafatesana kosa ilay tovolahy iray.

Nahitana vodim-bala efatra tao an-trano nandritra ny fahatongavan’ ireo polisin’ny Fip nanao ny fanadihadiana teny an-toerana.
Nanao izay ho afany ihany ny polisin’ny Fip tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules na teo aza ny fitohanana somary nanelingelina azy ireo teo am-panaovana ny asa. Mbola mitohy hatry ny omaly ny fanenjehana ireto jiolahy ireto.

Sajo/J.C

Partager sur: