Nasiaka sy nahitsy avokoa ny teny fampianaran’ny fiangonana, omaly. Anisan’izany ny fanombohana ny taom-piasan’ny FJKM natao tetsy Antsonjombe sy ny fametrahana ny eveka tany Ambanja. “Mampalahelo ny zava-misy eto amintsika. Miharitra ny rano sy ny ala ary ny biby. Tena zava-doza ny ateraky ny famerana ny zaza ateraka fa zary lasa mivadika famonoana ny zaza any an-kibo izany. Eo koa ny fanilihana ny mahantra”, hoy ny evekan’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, omaly tany Ambanja. Nametraka ny eveka vaovao any an-toerana, ny Mgr Randriamalala Donatien ny tenany sy ireo eveka rehetra. Nohitsiny fa mifamono ny samy Malagasy ary mitady hanjaka ny kolontsain’ny fahafatesana. “Tsy izao ny firenena nolovaintsika tamin’ny razantsika… Firenena ritra no holovain’ny taranaka. Mifanohitra amin’ny evanjelin’ny aina izany”, hoy ihany izy. Nanteriny fa manana anjara fanavaozana sy fananganana ny firenena ny fiangonana katolika.
Etsy andaniny, nanitrikitrika ny fahamarinana sy ny rariny, araka an’Andriamanitra, niainga amin’ny Salamo nefa mifandraika amin’ny raharaham-pirenena kosa ny mpitandrina sady filoha mpanampy ny FJKM, Andriampianina Zaka, tetsy Antsonjombe tamin’ny toriteniny. Nambarany tamin’izao fanombohan’ny taom-piasana sy fitrotroana am-bavaka ny filohan’ny FJKM izao fa manana ny ambarany ny fiangonana amin’ny maha mpitily ny firenena azy. Notsikerainy koa fa misy ny laharam-pahamehana kokoa eo amin’ny fitantanana ny firenena. Anisan’izany ny fambolena sy ny fiompiana ary koa ny fananana tahirin-drano betsaka.
Notsiahiviny koa fa tsy misy mpanjaka voavonjin’ny miaramilany sy ny soavaliny izany. Arakaraka ny ananan’ny olona fiarovana sy mafy no ialany amin’Andriamanitra. “Tsy azo itokisana ny herin’ny tafika sy ny fitaovam-piadiana “, hoy izy. Namatrapatratra ny tenany teo am-pamaranana nilaza fa tokony hapetraka ny politikan’ny rano ary ny famoronana asa sy ny fampiakarana ny toekarena.
Tsiahivina fa nisolo tena ny fitondram-panjakana tany Ambanja ny Praiminisitra Ntsay Christian raha tetsy Antsonjombe kosa ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ary ireo avy amin’ny fanoherana.
Synèse R.