Fandrobana 100 tapitrisa Ar: roa lahy lavon’ny polisy, tratra ny mpampanofa basy

Ankoatra ireo jiolahy roa maty voatifitry ny polisy, tratra ny mpiasa iray ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina mpampanofa basy ireo jiolahy…

Tsy niandry ela ny poli­sin’ny Fip, nanoloana ny fanafihan-jiolahy mi­tam-piadiana mahery vaika tao amina mpandraharaha jirofo iray tao Tanamakoa Toamasina, ny zoma teo fa nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Vola 100 tapitrisa Ar no lasan’ireo mpanafika nandritra ity fanafihana ity. Taorian’io fanafihana io, nahazo antso ny kaomandin’ny polisin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, fa misy olona maratra mitondra moto nihazo an’i Tanambao fahadimy. Nanara-dia avy hatrany ny polisin’ny Fip, nanampy koa ny boriborintany voalohany ao Tanambao faharoa. Raha ny angom-baovao, namonjy mpitsabo tsy miankina ilay jiolahy voan’ny ba­lan’ny namany nandritra ny fifampitoloman’ilay tovolahy namoy ny ainy sy ilay jiolahy iray nihazona ny sakaosy feno vola. Nitifitra ilay tovolahy niharam-boina ny jiolahy iray ka niantefan’ny bala koa ilay namany nifampitolona ta­min’ity zanaka mpandraharaha ity. Niantefan’ny bala teo amin’ny takibany ilay jiolahy namany. Tsy vitan’ny mpitsabo anefa ny hanala ny bala tao amin’ny takibany ka nalefany tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny Hopitalibe. Efa tao amin’ny hopitaly anefa ny fianakavian’ny niharam-boina sy ny polisy.

6 hetsy Ar ny hofan’ny basy…
Voamarina tokoa fa ilay jiolahy nanafika tao Tanama­koa ity maratra ity ka noraisim-potsiny izy. Taorian’ny fitsaboana azy, nalain’ny polisy izy nanaovana fanadihadiana. Nandritra izany no nanoroany ireo namany mpiray tsikombakomba aminy miampy olona iray mpampanofa basy. Voasambotry ny polisy tao an-tranony, Cité Canada, ny raimpianakaviana iray mpiasa eo anivon’ny mpamonjy voi­na seranan-tsambon’i Toama­sina izay voalazan’ireo jiolahy fa nampanofa basy azy ireo. Mbola nahitana vola 4 tapitrisa Ar tao aminy izay sokajian’ny mpanao famotorana fa hofana basy. Nitohy ihany ny fikarohana ireo namany ka teo amin’ny fifanatrehana faharoa no nikasa hamaly sy hitsoaka ireo jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana ka maty rotiky ny bala izy roa lahy tao Antsarakofafa sy tao Tanambao Verrerie. Mbola karohina kosa ny roa hafa.

Sahirana ny polisy…mandeha sahady ny tsindry
Misedra fahasahiranana ny polisy manoloana sahady ireo tsindry, ataon’ireo olona mitonona ho olona ho ambony sy fianakavian’ilay mpampanofa basy. Ahitana olona avy amina orinasa lehibe ao Toamasina, fitsarana ao Toamasina, amina minisitera avy aty Antananarivo. Samy manery ny polisy avokoa ireo mba hamotsorana ity mpampanofa basy ity. ankoatra izany anefa, mbola karohina koa Rà-M. voaofonja manao asa ivelan’ny fonja (MOP) izay iantohana manamboninahitra iray eo anivon’ny fandraharahana ny fonja. Voalaza anefa fa isan’ireo mpanao fanafihana ao Toamasina ity jiolahy manao Mop ity. Andrasana araka izany ny tohin’ity raharaha ity.

Sajo/J.C

Partager sur: