Namaky tranombarotra: jiolahy roa tratran’ny polisin’ny SAG

Noraisim-potsiny! Voa­sam­bo­try ny polisin’ny “Ser­vi­ce Anti-gang” (Sag) teny Anosibe, omaly tolakandro ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ny Sag fa naharay antso avy amin’ny tompona tranombarotra iray eny an-toerana izy ireo milaza fa misy olona maromaro mamaky ny trano fitobian’entany eny amin’ny faritra Anosibe. Tsy niandry ela ny polisy taorian’izay fa nidina haingana teny an-toerana nijery ity fisiana andian-jiolahy manao fanafihana ity. Mbola tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny tokoa ry zalahy tamin’io fotoana io niaraka tamin’ny fitaovana nampiasain’izy ireo. Ny roa tratra raha tafaporitsaka kosa ny namany hafa. Isan’ireo faritra voasokajy ho isan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana iny faritr’ Ano­sibe sy ny manodidina iny, hatrany Namontana. Maro ireo mitaraina, noho izany, ka antony mahatonga ny polisy nametraka paikady manokana amin’ny fampandriana fahalemana eny an-toerana.

Jean Claude

Partager sur: