Nolazaina fa tratra nandihindihy teo am-baravaran’olona niaraka tamin’ny kifafa ny ramatoa iray. Nosamborin’ny mponina izy ka maty niharan’ny fitsaram-bahoaka.
Niely tamin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ny renim-pianakaviana iray maty novonoin’ny olona tao tetezana mainty, Tanambao verrerie, ny 8 janoary. Araka ny filazan’ny fokonolona, tra-tehaka nandihy teo ambaravaran’ny fianakaviana iray, anatin’ny tanànan’i Tsararivotra io ramatoa io. “Nitondra vary fotsy sy kapoaka ary kifafa izy tokony ho tamin’ny sasakalin’ny 7 janoary”, hoy ny nambaran’ny solotenan’ireo fokonolona natao fanadihadiana. Nosamborin’ireto farany izy. Niharan’ ny fitsaram-bahoaka. Noesorin’izy ireo ny akanjon’ilay vehivavy, avieo nodarohana. Natsipiny tao amin’ny renirano ambany tetezana mainty ny vatana mangatsiakan’ilay ramatoa.
Marary saina
Hataraina ny an’ny fianakavian’ity namoy ny ainy ity, raha nahita ny vatana mangatsiakan’ilay ramatoa. “Marary saina izy, mipetraka amin’ny vadiny ireo zanany”, hoy ny havany. Fombany ny mandihindihy vokatr’io aretin-tsainy io. Mangataka aman’olona izy, rehefa hamonjy fodiana mba hividianany ireo zavatra ilainy. Kinanjo, maty niharan’ny vonoan’olona izy. Marihina fa naparitaka tamin’ ny kaonty “facebook” ny horonantsary nirakitra ny famonoana io ramatoa io.
Nametraka fitoriana
Vokatry ny fahafatesana, nametraka fitoriana noho ny tsy rariny ny fianakaviany. Nanohina azy ireo, ny fiparitahan’ny sarin’ilay ramatoa sy ny fampijaliana natao azy navoitra tamin’ny tambajotran-tserasera. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. “Tsy misy olona azo vonoina fotsiny tsotr’izao fa tokony nosamborina ary natolotra ny manam-pahefana misahana ny fandriam-pahalemana”, hoy ny kaomadin’ny kaompania Toamasina, ny kapiteny Tela Josephin. Voasambotra ny vehivavy iray tompon’ny kaonty nampiely ilay horonantsary. Nilaza ireo namany niaraka nikasi-tanàna mivantana ilay ramatoa namoy ny ainy io izy. Tafakatra valo mianadahy izy ireo ka vehivavy ny telo.
Sajo/ Tsiferana R.