Tanterahina anio ny fandevenana an’ilay zazavavikely fito taona hita faty teny amin’ny reniranon’i Sisaony, fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo ny alahady teo. Fantatra ihany koa fa avy eny Anosizato ny ray aman-dreniny ary tonga naka ilay nofo mangatsiaka teny amin’ny CSB II Ampangabe, ny alatsinainy teo. Hatreto, tsy mbola misy ny olona voasambotra tamin’ity raharaha ity. Andrasan’ny mpitandro filaminana eny an-toerana kosa ny havan’ny maty hanohizana ny fanadihadianaa, hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Etsy ankilany, niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina ity tranga ity. Ao ireo milaza fa mipetraka eny Anosizato Andrefana, fokontany Ambodivona io zaza io. Mifamaly matetika ny ray aman-dreniny. Fanaon’ilay raikeliny ihany koa, hoy izy, ny mikapoka ilay ankizivavikely. Araka izany, nifamaly izy mivady ka nitsoaka ilay renim-pianakaviana ka tavela niaraka tamin’ilay raikeliny tao izy ka niafara tamin’izao ny zava-nisy. Nambarany hatrany fa efa voasambotry ny polisy ilay lehilahy voalaza ho nahavanon-doza. Tsy nahitana ratra na koa mangana anefa ny vata-mangatsiakan’ilay zaza taorian’ny fizahan’ny mpitsabo. Nambarany tamin’izay fa sempotry ny rano no nitarika ity zava-doza ity. Vinavinaina maty ny asabotsy manodidina ny tamin’ny 06 ora hariva teo izy. Taorian’izay, nisy ny antso avo natao tamin’ireo mponina mipetraka manaraka ny reniranon’i Sisaony iny hijery ilay nofo mangatsiaka.
Henintsoa H.