Matin’ny jiolahy i Fidelys: namela kamboty 12 mianadahy

Namela zanaka 12 mianadahy, maty voatifitry ny olon-dratsy ny lehilahy iray hanavotra ny zanak’anabaviny tao Valpinson, Toamasina, omaly maraina. Tamin’ny 8 ora sy 50 minitra, teo amin’ny sampanan-dalana efatra avy ao Morafeno mihazo an’i Valpinson, 100 metatra tsy ahatongavana amin’ny paositra misy ny Fip ny lalan’ ny lehilahy iray atao hoe Rolland nandeha moto raha avy naka vola tany amin’ny “Canal +”. Haterina amin’ny kioska eo anoloan’ny cité Valpison, nitondra vola 6 tapitrisa ariary izy hotsinjaraina amin’ ireo kioska miara-miasa amin’ny orinasa, raha ny fanazavana. Vao hijanona teo anoloan’ilay kioska voalohany, nisy lehilahy nisakana teo anoloan’ny moto. Nanao sinto-mahery ny sakaosy nisy vola teny aminy avy hatrany io olon-tsy fantatra io. Niezaka nanohitra izany i Rolland.

Tsikaritr’i Voriolo Fidelys ny fandroban’ny jiolahy ny zanaka anabaviny ka niditra an-tsehatra izy. Hanavotra io lasibatra io, nisy jiolahy hafa naman’ilay naka an-keriny ny sakaosy teo ampitan’izy ireo. Niandry teo ambony moto io olon-dratsy io ka nitifitra avy hatrany rehefa nahita an’i Fidelys hanavotra an’i Rolland (zanak’anabaviny) saingy naratra mafy voan’ny bala izy. Nirifatra nitsoaka ireo jiolahy niaraka tamin’ny sakaosy nisy ny vola. Nentin’ny fokonolona nihazo avy hatrany ny hopitaly manara-penitra hotsaboina ilay naratra. Tsy tana anefa ny ain’ity farany noho ny fahaverezan-dra be loatra.
Tsy nisy sahy nanavotra ireo nanatri-maso
Ankoatra ity namoy ny ainy saika hanavotra ny zanak’anabaviny ity, tsy nisy sahy niditra an-tsehatra nandrava ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo nanatri-maso. Nisy polisy kaominaly nitana kiririoka ihany teo saingy tsy nanaitra akory ireo manodidina azy izy ireo. Natahotra ny ainy noho ny fisian’ny basy teny amin’ ireo jiolahy izy ireo, araka ny nambarany. Ho an’ny fianakavian’ilay namoy ny ainy kosa, nilaza izy ireo fa olona mahay ny havany no nanatontosa izao fandrobana izao.

Han­deha haka vola hividanana entana vao maraina teny amin’ny kioska i Fidelys noho izy mpivarotra saingy izao lavon’ny hasomparan’ireo tsy mataho-tody izao.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: