Nirefodrefotra ny basy! Maty noho ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy efatra tetsy Androndra, afakomaly alina.
Saron’ny polisy (USI) teo am-piketrehana hanafika tokantrano iray etsy Androndra ny jiolahy efatra nitam-basy, ny alin’ny alarobia teo. Tamin’ny misasakalina, nanao fisafoana teny amin’ io fokontany io ny polisy. Hatairana ny an’ireo olon-dratsy nahita azy ireo ka nirifatra nitsoaka. Natao ny fampitandremana saingy tsy nisy nijanona izy efa-dahy. Vokany, nipoaka ny basy. Lavo ireo jiolahy efatra. Tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta iray niampy bala. Mitohy ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana hisorohana ny asan-jiolahy. Tsiahivina, nirongatra ny fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra tato ho ato. Vao roa herinandro lasa, nifanehatra tamin’ny UIR nanao fisafoana koa ny jiolahy nitondra sabatra tetsy Ankatso. Nikasa handositra ka raikitra ny fifanenjehana. Maty rotiky ny bala tamin’izany io olon-dratsy io ary nahatrarana entana halatra teny aminy. Ankoatra io, ravan’ny zandary ny fikambanan-jiolahy nanafika teratany sinoa tetsy Talatamaty. Lavo ny roa tamin’izy ireo raha toa ka azo sambo-belona niaraka tamin’ny vola halatra sy fitaovana sasantsasany ny efatra.
Tsiferana R.