Tselatra

Mpivarotra rongony telo lahy indray no voasambotry ny zandary tao Ampahimanga, Ambohimanambola afakomaly. Tsy vitan’ny manaparitaka io zava-mahadomelina io fa midoroka koa izy telo ireto. Ny 30 desambra lasa teo, lehilahy iray hafa koa tra-tehaka niaraka tamina fonosana rongony miisa 61 tao amin’io fokontany io ihany.
Lasan’ny jiolahy ny kitapo na malety lehibe nisy vola teo anoloan’ny trano fisakafoana iray amin’ny Boulevard Joffres, ny 18 janoary teo. Lasan’ireo jiolahy any anatin’io kitapo io avokoa ny antontan-taratasy saropady rehetra.

Partager sur: