Lasa iny ny rivodoza. Nivoaka tsikelikely an’i Madasikara i Cheneso. Manomboka lefy ny heriny. Maro ny takaitra navelany, noho ny ranobe niakatra. Nihanitombo ny lalana simba sy ny tetezana tapaka na mihozongozona. Miandry ny fandraisana andraikitra maika avy amin’ny manam-pahefana ny fanarenana. Tsy indray mandeha rahateo ny rivodoza mandalo eto Madagasikara fa vao manomboka izy izay. Isika rahateo nosy, tsy ho afa-bela amin’izay hifanesisesy eo.
Etsy ankilan’izay, misy loza iray mitatao. Tsy azo hodian-tsy hita, mila fahamailoana. Ny kilalao politika avo lenta izany. Ny vahoaka madinika ihany no ho voapotsipotsitra sy hahita faisana raha tsy mahay. Manomboka mipoitra tsikelikely ny mpanao politika « galifantsy ». Misary ho ray aman-dreny, kanefa mampiady angely tsimoramora aty ambadiky ny kianja. Efa miseho masondro tsikelikely, mitady ny fomba tsy ahafahana miroso amin’ny fifidianana, tokony hatao amin’ity taona ity. Toa mamboly kirizy kanefa milaza ho mpitondra vahaolana.
Ankoatra ireo, nahoraka ny fanovana governemanta teo. Nilomay ny mpitondra sy ny mpanohana azy fa hametraka ny tena mpiady amin’izay. Inona akory no teo ? mivadika ny kajikajy, ankehitriny. Mirona any amin’ny tetezamita sy ny mety ho fiaraha-mitantana ny resaka. Mazava ho azy, mety tsy hisy izay fifidianana izay fa hiara-milalao sy manao izay metimety aminy eo avokoa ny mpanao politika. Ny tena zava-doza, misy aza ny milaza ho mpanohitra. Mivoy ilay resaka fidinana an-dalambe. Mipetraka ny fanontaniana : tena mpanohitra ve izy ireny, sa mpamita iraka mba hisian’ilay « teteza-miitatra », tetezamita mantsy e ! Tsy maintsy misy ny korontana vao afaka miara-mitondra tsinona.
Famakafakana tsotsotra, nentina mamaky ny sehon-javatra sy ny tontolo politika eto Madagasikara no natao. Ny ampitso no hilaza izay tena marina. Mila mahay maka lesona fotsiny ny vahoaka malagasy. Tsy tokony ho tafiditra anaty haraton’ny mpanao politika, izay tsy handry fotsy mandrakizay, na ho maty mosary na oviana na oviana. Mila tonga saina mba tsy ho fitaovana ka handrora mitsilany!
r.r