Tsy olana ny tetibolan’ny Ceni : “Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana”, hoy ny praiminisitra

Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tao amin’ny TVM. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny fifidianana.

“Efa misy ny tetibola. Efa nanao fifidianana hatrany isika ary nahazo fampitaovana sy vola ny Ceni. Tsy olana ny fanampiana ny Ceni ary tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, indrindra ny filohan’ny Repobli­ka”, hoy izy. Nanteriny fa tsy mihevitra hanalava ny fe-potoam-piasana ny tenany sy ny filohan’ny Repoblika. Tsy tombontsoantsika ny tsy hanaovana ny fifidianana fa miandry ny tolo-kevitra amin’ny tetiandro ary hiroso avy hatrany, araka ny nambarany… Momba ny olan’ny Jirama kosa, nambarany fa nisehoana gaboraraka sy tandrevaka ny fitantanana ka nibaby trosa. Teo koa ny halatra tamin’ny fifanaraha-piaraha-miasa sy ny fahanteran’ny fitaovana. “Tsy ho vita anatin’ny fotoana fohy ny fanovana. Efa mandeha ny fananganana toby herinaratra… Ny fametrahana ny angovo nohavaozina hampihenana ny vidin’ny heri­naratra. Hahena koa ny saran’ny famokarana..”, hoy izy.
Ankoatra izany, tsy holaniana fahatany ny vola amin’ny tahiry ho an’ny lalana “Fond routier” ka nanaovany antso ireo mpandraharaha amin’ny lalana mba hanao ny asa tsara sy hanaraka kalitao ny asa. “Hanomboka ny asa maika fanarenana ny lalana ka tokony hanaja ny fandaminana isika”, hoy izy.
Laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka

Natsidiny sahady koa ny ezaky ny fanjakana amin’ity taona ity. “Manana drafitra sosialy isika hijerena ny ma­refo sy sahirana ary ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny. Hatao laharam-pahamehana izany”, hoy izy. Ni­aiky ny tenany fa tena niakatra ny vidim-piainana ary sa­hirana ny vahoaka. Ani­san’ny nahatonga izany ny covid-19 sy ny fiantraikany. Eo koa ny ady any Ukraine sy ny fiakaran’ny vidin’ny solika. Nam­ba­rany anefa fa miezaka ny fanjakana. Nojerena ny tantsaha. Natao ny vatsy tsinjo…
Etsy andaniny, notsiahiviny fa efa nisy vita tao anatin’ny efa-taona amin’ny alalan’ny fanjakana manakaiky va­hoaka. Eo ireo fotodrafitrasa toy ny hopitaly, sekoly, tribonaly, fonja, tobin’ny mpitandro filaminana…
Momba ny fitsipaha-pitokisana ny governemanta na­taon’ireo depiote maherin’ny 100 kosa, nisafidy ny hangina ny tenany ary nijanona ho ray amandrenin’ny firenena hatrany. Betsaka ny fihantsiana sy antsojay ary ny fanedrikendrehana.

Fanonganana ny filoham-pirenena

Notsiahiviny fa niainga avy amin’ny antoko miara-dia amin’ny filoha, ahitana ireo maro anisa ireo nikasa hanao izany.”Endrika fanakorontanana izany. Tsy nahomby izany ary tsapa fa fanozongozonana fanjakana ny natao. Ny filoha no notadiavina naongana tamin’ireny”, hoy izy. Nohitsiny fa mila fitoniana isika ary tan-dalàna sy mandala ny demokrasia.
Manaiky koa ny tenany rehefa esorin’ny filoham-pirenena amin’ny toerany. Nahitsy koa ny nilazany fa tsy ho kandidà filoham-pirenena ny tenany…
Etsy andaniny, tompon’ny teny farany sy manana fahefana amin’ny fanovana ny go­vernemanta ny filoha. “Ma­nao tombana ny asan’ny minisitra izy ka anjarany ny manova izany na tsia. Ny fe-potoana anaovana izany koa miankina amin’ny filoham-pirenena”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: