Nihevitra ho afa-maina ireo jiolahy roa lahy nanendaka olona teo akaikin’ny banky iray eny Analakely, ny asabotsy teo. Lasa nandositra nihazo ny pavillon izy roa lahy rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Efa nilamin-tsaina taorian’izay raha nandalo tamin’iny faritra Ambodifilao iny, kanjo nosamborin’ny polisy tampoka. Ireo caméra de surveillance mipetraka teny amin’iny toerana iny no nahitan’ireo polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany (CSP1) azy ireo. Narahana fotsiny izy roa lahy ka izao niafara tamin’ny fisamborana izao. Marihina fa, tena raitra sy avolenta rahateo ireo caméra de surveillance ampiasain’ny polisy hahafahana misambotra sy manenjika ny olon-dratsy amin’izao fotoana izao. Mitohy ny famotorana azy ireo ao amin’ny kaomisaria CSP1.
Jean Claude