Fampanofana basy: mpiasan’ny seranan-tsambo sy namany telo naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo efatra mirahalahy voasaringotra ta­min’ny fanafihana nahafatesan’olona tao Tanamakoa, ny zoma 20 janoary lasa teo.

Nanafika mpandraharaha iray ireto jiolahy ny 13 janoary teo. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’izy ireo ny olona iray raha toa mbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly kosa ilay mpandraharaha. Tamin’io fotoana io, voan’ny balan’ireo jiolahy namany ihany ny iray tamin’izy ireo ka voasambotra. Natao famotorana ka nitoroka ny namany. Lehilahy iray mpiasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izay zandrina zandary efa voaroaka no voalaza ho nampanofa ny basy. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, tafiakatra efatra ny voasambotra. Anisan’izany ilay voalaza ho tompon’ny basy.

Niakatra fampanoavana ny zoma teo ny raharaha, izay nisarika ny sain’ny mponina maro tao an-toerana, ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja azy efatra mirahalahy izao.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: