Nitondra fanazavana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois, omaly, teny Ivandry. Voaresaka ny lafiny politika sy ny Nosy manodidina ary koa ny toekarena.
“Tsy mitsabaka amin’ny raharaha anatiny amin’ny fifidianana hatao amin’ity taona ity i Frantsa. Miandrandra izany ho demokratika sy malalaka ary mangarahara anefa izahay. Manana ny safidiny ny vahoaka Malagasy”, hoy izy. Nanteriny fa vonona ho amin’ny fifampidinihana izy ireo amin’ny mety ho fanampiana sy ho fanamorana izany. Eo koa ny fanohanany ara-bola ny fifidianana, miaraka amin’ ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena, toy ny Frankofonia, COI, ny Vondrona Eoropeanina (UR), ny Firenena mikambana… Fanamby goavana miandry amin’izany ny mialoha sy mandritra ary koa ny ho fankatoavana ny ho voka-pifidianana eo, araka ny nambarany.
“Raharaha Apollo21”
Nohazavainy koa ny momba ny ho tohin’ny dinika fifampiraharahana amin’ny famerenana amintsika ireo Nosy manodidina. Nambarany fa miandry ny fihaonan’ny vaomiera iraisan’ny firenena roa tonta izany ary efa vonona amin’izany i Frantsa. Jerena koa anefa ny lafiny tombontsoa iraisana sy ny fiarovana ny tontolo iainana, ny lafiny siantifika momba ireo Nosy ireo.
Ankoatra izany, nohitsiny fa saro-pady ka tsy noresahany betsaka ny momba an’i François Phillippe, teratany Frantsay, voasaringotra amin’ ny “Raharaha Apollo 21”, migadra eny Tsiafahy. Notakin’i Frantsa ny hampodiana azy any an-tanindrazany, hanefa ny saziny. Mametraka izany amin’ny fitsarana izy ireo saingy manara-maso akaiky ny fepetra fihazonana azy am-ponja sy ny momba ireo vady aman-janany, lavitra any Frantsa.
Synèse R.