Olana teknika : fiaramanidina nianjera, maty ny mpanamory

Nitrangana lozam-piaramanadina namoizana ain’olona tao Mangalahala fokontany Andilanatoby distrikan’ Am­ba­tondrazaka, omaly maraina. Tra-doza tamin’ny fiaramanidina kely an’ny Kaompania Aeromarine, 5RAAR-PA28, ny lehilahy iray vao erotrerony fantatra amin’ny anarana i Landry Razanajafy, 25 taona nikasa ho any Mananara. Niainga teto Antananarivo, nizotra soamantsara ny diany ka mbola tonga teny an’habakabaka Ambatondrazaka izy. Akory anefa ny hatairan’ny mponina tao Andilanatoby, nahare feon’ny fiaramanidina nitrena teny ana habakabaka. Nilatsaka tamin’ny tany avy hatrany io fitaovam-pitaterana io, fotoana vitsy taorian’izay, tokony ho tamin’ny 08 ora sy 45 minitra. Potika tsy nisy noraisina ny vatan’ilay fiaramanidina. Maty tamin’izany ny mpanamory. Sambany nitondra fiaramanidina irery izy. Nidina nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana ao an-toerana sy ireo tomponandraikitra, fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny loza. “Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny eo anivon’ny mpitandro filaminana mahakasika io raharaha io”, hoy eo anivon’ny zandarimaria ao an-toerana. “Ity mpanamory namoy ny ainy ity irery no tao anatin’ny fiaramanidina”, araka ny fanamafisan’ny minisitry ny Fita­terana, Ranjatoelina Rolland, omaly. Ity farany izay nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ilay namoy ny ainy. Kilometatra vitsy miala ny lalam-pirenena faha-44 no nitrangan’ny loza. Marihina fa anatin’ny fanadihadiana irery ihany no hamatarana ny marina mahakasika ity tranga ity. Na izany aza, ahiana ho misy hifandraisany amin’ny faharatsian’ny toetr’andro noho ny rotsak’orana izany.

Tsiferana R.

Partager sur: