Voasambotra tamina hotely eny amin’ny By-Pass, ny kaomisera divizionera iray. Tratra am-bodiomby, nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika izy.
Tratra teo am-pitsindronana zava-mahadomelina mahery vaika ny kaomisera divizionera iray eo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina tao amina hotely eny amin’ny lalan’ny By-Pass izy, ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. “Mbola hita tao
amin’ny toerana nisy azy avokoa ny fitaovana fitsindromana sy ny kojakoja miaraka amin’izany”, hoy ny loharanom-baovao. “Mbola avy nivarotra amphétamine na “drogue cristal”, milanja 30 g izy mialoha ny nahasamborana azy. Mpanangom-baovao efa nanara-maso hatry ny ela no nahafahana niroso tamin’ny fisamborana. Feno fahasahiana ny mpitandro filaminana nisambotra azy satria ankoatra ny maha manamboninahitra polisy azy, mbola manana havana akaiky manamboninahitra izy”, hoy hatrany ny mpampita vaovao.
Ankoatra ny fidorohana, efa noahiahina ho mpanao trafika zava-mahadomelina mahery vaika ity kaomisera divizionera ity. “Efa voatonontonona tamin’ny raharaha fanodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika nahavoasaringotra mpiasan’ny fadin-tseranana, zandary sy polisy izy, roa taona lasa izay”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Marihina fa ankoatra ny resaka heloka bevava amin’ny trafika sy fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika, mbola misy ny fandikan-dalàna amin’ny resaka asany eo anivon’ny polisim-pirenena. Tokony hiasa any amin’ny faritany, birao misy azy izy izao voasambotra aty Antananarivo izao. “ Araka ny heno, tsy nampahafantatra ny lehibeny akory izy hoe hiakatra aty an-drenivohitra. Toa tsy nangataka alalana hivoaka ny faritra, araka ny sata maha polisy azy ihany koa ity kaomisera divizionera ity”, hoy ny loharanom-baovao namarana ny resaka.
Mitohy ny fanadihadiana lalina atao an’ity jeneraly polisy ity.
Tsiferana R.