Nisehoana savorovoro teo amin’ny samy mpanakanto teny Mahamasina, omaly. Nandritra ny fivoriam-be, nikasa hiditra tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, ny mpihira Rossy sy ny mpitsoka mozika. Tsy tafiditra anefa izy ireo. Nosakanan’ny mpanakanto namany, noho ny filanjana sora-baventy maneho ny tsy fankasitrahana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tsy afa-po, nitanjozotra nihazo ny Tranombokim-pirenena, misy ny biraon’ny minisitra, eny Anosy izy ireo. Efa niantrana teny an-toerana anefa ny mpitandro filaminana.
Tetsy ankilan’izany, tsy ilaozan’ny mpanararaotra manao ny asa ratsiny ny trangan-javatra tahaka izao. Nisy ny mpanendaka voasambotra teny Mahamasina, omaly, nandritra ity fihetsiketsehana. Vehivavy iray no niharan’ny fanendahana sy ny sinto-mahery nataon’ity jiolahy ity. Lasany tamin’izany ny poketra nisy finday. Raikitra ny fifanenjehana, tratran’ny fokonolona ilay olon-dratsy. Niharan’ny daroka izy, saingy tafaporitsaka tampoka teny an-dalana ho any amin’ny biraon’ny polisy.
J.C