Hanohitra ary nilaza fa tsy hanaiky ny fisian’ny fanelanelanana eo anoloan’ny fandikan-dalàna amin’ny raharaha ady heloka bevava ny mpitandro filaminana sy ny prefen’i Toamasina, Ambinintsoa Jean José. Nanotrona azy ireo ny lehibe misahana ny fitandroana ny filaminana telo. Nandritra ny fihaonan’ny mpitarika ny hetsika “Lamba mainty” notarihin’i Sabotsy José sy Ndihamahazo Mickaellys, ny alatsinainy teo, nivoitra ny antony hanaovan’izy ireo ny fanentanana ny olona hanao lamba mainty, ny alarobia 24 janoary. Voalohany, ny fanaovan’olona iray eo anivon’ny fitsarana ambony fanelanelanana raha misy olona tratran’ny zandary na polisy amina raharaha ady heloka bevava. Rehefa votsotra ireo jiolahy dia manohy ny asa ratsiny indray sady mamono. Nohamafisin’ireo mpitarika fa raha izao no mitohy, hihorohoro ny vahoaka satria io fanelanelanana ataon’ity mpitsara iray eo anivon’ny fitsarana ambony io no lasa antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Efa nisy ireo olona voasambotry ny polisy tamina raharaha famonoana polisy saingy votsotra noho ny fisian’ity mpitsara ity. Nilaza ny handray andraikitra manoloana izao raharaha izao ireo tompon’andraiki-panjakana ao Toamasina.
Sajo/J.C