Niarahaba nahatratra ny taona vaovao sy nirary soa ho an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ireo delegen’ny fikambanan’ny mpivarotra ara-dalàna rehetra, omaly. Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny lanonana. Nandritra izany, nohamafisin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina fa efa maro ny fanaovan-tsoniam-
piarahamiasa vitan’ny kaominina sy ny mpivarotra. “Fotoana izao hidirana amin’ny fanatanterahana ny asa eny ifotony”, hoy hatrany izy. Tafiditra anaty vinanasan’ny kaominina amin’ity taona ity ny fampidirana ireo mpivarotra amoron-dalana eny anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa efa maro ny ezaka vita nandritra ny taona lasa ary hametraka tetikasa hafa ny eo anivon’ny kaominina. Mba ho fampandrosoana ny tanàna eto amin’ny faritr’Antananarivo. Hojerena manokana ny sehatry ny fahasalamana sy ny Cnaps ho an’ireo mpivarotra. Hitsidika ireo tsena misy eto Antananarivo isan-kerinandro ny tenany, mba hahafahany mijery ny zava-misy eny ifotony ka hitondrana fanatsarana ho an’ireo mpivarotra misedra olana sy fahasahiranana.
Ankoatra ny firariantsoa, nilaza sy nanao tatitra mikasika ny hetahetany tamin’ny ben’ny Tanàna koa ireo delegen’ny mpivarotra ireo. Anisan’izany ny hanatsarana ny toerana hivarotana sy ny hetra aloan’izy ireo. Namaly sy nankasitraka ny firariantsoa azony avy amin’ireo mpivarotra ny ben’ny Tanàna taorian’izay. Nihaino ny hetahetan’ny mpivarotra ny tenany nandritra izany.
Mino (mpianatra asa)