Haka fanapahan-kevitra ny filoha Rajoelina: hiova afaka andro vitsy ny governemanta

Antomotra tahaka ny oron-tsaka ? Efa eto an-toerana ary hihazo ny fambolen-kazo any Ilaka Est, ny filoha Rajoelina Andry, anio, rehefa avy niatrika fivoriana an-tampony tany Dakar. Handray fanapahan-kevitra tsy ho ela, amin’ny ho avin’ny governemanta ny tenany.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiroso amin’ny fanovana ny governemanta ny filoha amin’ny herinandro ho avy io. Efa vita tombana avokoa ireo mpikamban’ny governemanta, ny herinandro lasa teo. “Arakaraka ny fandaharanasa sy ny nandrasan’ny filoham-pirenena tamin’ireo minisitra ny faharetan’ny fanadinana azy ireo tsirairay avy”, hoy ny loharanom-baovao.
Tokony ho natao tamin’ity herinandro ity ny fanovana ny governemanta saingy feno ny fandaharam-potoan’ny filoha ka izao nahazo fanalavam-potoana ho amin’ny faran’ny janoary na fiandohan’ny febroary izao indray izany.

Ny Jly Camille Vital sy Andrianarivo Tantely
Mety mifandray amin’izany fanovana izany ny maha eto an-tanindrazana ny masoivohon’i Madagasikara atsy Maorisy, ny Jly Camille Vital sy ny Praiminisitra teo aloha, Andrianarivo Tantely. Manao an-kisisika mafy ireo mpomba ny amiraly, “Ratsirakiste” ny hametrahana ny olony eo anivon’ny governemanta. Man­deha koa anefa ny tombana ny hiverenan’ny Praiminisitra fony fitondrana Tetezamita, ny Jly Camille Vital, amin’izany toerana izany.
Etsy andaniny, tsy mandeha ho azy ny hetsika “Lera”, nataon’ireo vondrona sy antoko politika teny Andoha­ra­nofotsy farany teo iny. Mety hifandray amin’ny fanovana mety hatao, manoloana ireo fitakiana maromaro nataon’izy ireo.
Sosialim-bahoaka sy ny “Raharaha volamena”
Lojikan’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, farany teo koa ny hanovana governemanta. Nanamafy iza­ny ny depiote Raholdina Nai­vo, omaly fa misy tsy mahavita ny andraikitra nankinina taminy ireo mpitantana sasany ka manimba endrika ny filoham-pirenena. “Hita­nay fa misy minisitra vitsivitsy tsy mahavita azy ka antony nanaovako sonia fitsipahana. Nikendry ny ho praiminisitra kosa ny sasany raha nijapy izany ny hafa”, hoy izy. Notondroiny manokana ny minisitry ny Mponina amin’ny tsy fandehanan’ny sosialim-bahoaka. Eo koa ny minisitry ny Rano, notebahany ho voasaringotra amin’ny “Raharaha volamena”, nivadika korontam-by tao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. “Mbola mitantana ihany hatramin’izao… Nefa ny rano sotroina aza izao maloto”, hoy ihany izy.
Araka izany, andrasana hatramin’ny herinandro ho avy io izany ny ho fanovana ny governemanta.

Synèse R.

Partager sur: